Hatramin’ny nanjakan’i Saola mpanjaka taminay fahiny aza, dia tsy iza fa ianao no nitondra an’i Israely nivoaka sy niditra. Ary i Iaveh nilaza taminao nanao hoe: Ianao no hamahana an’i Israely oloko, ianao no ho andriamanitr’i Israely.»
Nomery 27:17 - Baiboly Katolika Ka hivoaka sy hiditra eo alohany ary hitarika azy hivoaka sy hiditra, mba tsy ho tahaka ny ondry tsy misy mpiandry ny fiangonan’i Iaveh.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ka hivoaka mialoha azy sy hiditra mialoha azy, ary hitarika azy hivoaka sy hitarika azy hiditra mba tsy ho tahaka ny ondry tsy misy mpiandry ny fiangonan’NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA sy hitarika azy amin’ny toe-javatra rehetra, mba tsy ho toy ny ondry tsy misy mpiandry ny fiangonanao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara sy hitarika azy amin’ny toe-javatra rehetra, mba tsy ho toy ny ondry tsy misy mpiandry ny fiangonanao. Baiboly Protestanta Malagasy ka hivoaka sy hiditra eo alohany ary hitarika azy hivoaka sy hiditra, mba tsy ho tahaka ny ondry tsy misy mpiandry ny fiangonan’i Jehovah. Malagasy Bible ka hivoaka sy hiditra eo alohany ary hitarika azy hivoaka sy hiditra, mba tsy ho tahaka ny ondry tsy misy mpiandry ny fiangonan'i Jehovah. La Bible en Malgache ka hivoaka mialoha azy sy hiditra mialoha azy, ary hitarika azy hivoaka sy hitarika azy hiditra mba tsy ho tahaka ny ondry tsy misy mpiandry ny fiangonan’NY TOMPO. |
Hatramin’ny nanjakan’i Saola mpanjaka taminay fahiny aza, dia tsy iza fa ianao no nitondra an’i Israely nivoaka sy niditra. Ary i Iaveh nilaza taminao nanao hoe: Ianao no hamahana an’i Israely oloko, ianao no ho andriamanitr’i Israely.»
Dia hoy ny navalin’i Mikea: «Indreny i Israely rehetra hitako miely eny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ka hoy i Iaveh: Tsy manan-tompo ireo olona ireo, ka aoka samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy.»
Ary ankehitriny, Iaveh Andriamanitra ô, efa nampanjaka ny mpanomponao handimby an’i Davida raiko Ianao; izaho anefa dia mbola tovolahy tanora kely tsy mahay mitondra tena.
dia hanemitra manodidina ny mpanjaka samy hitam-piadiana avy, ka raha misy miditra ny laharana, dia vonoy ho faty, ary ho eo akaikin’ny mpanjaka ianareo na mivoaka izy na miditra.»
Omeo fahendrena amam-pahazavan-tsaina aho hahaizako ny tokony hataoko eo anatrehan’ny vahoakanao. Fa iza no hahay mitsara ny vahoakanao, dia izao vahoaka be dia be izao?»
Ka hoy ny navalin’i Mikea: «Indro i Israely rehetra, hitako miely eny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ka hoy i Iaveh: Tsy manan-tompo ireo olona ireo, ka aoka samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy.»
Ka niely izy, fa tsy nisy mpiandry; zary rembin’izao biby an-tsaha rehetra izao, dia tafaely.
Fa ny terafima nilaza zava-poana, ary ny ombiasy nahazo fahitana lainga; nofy foana no ambaran’ireny, ary fampiononana sandoka no omeny; ka noho izany, izy ireo mandeha toy ny ondry; nampahorina, fa tsy nisy mpiandry.
Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandry ondriko sy hamely ny lehilahy namako! - teny marin’i Iavehn’ny tafika. - Kapohy ny mpiandry, hihahàfan’ny ondry. Dia hamerina ny tanako ho amin’ny madinika Aho.
Ary hoy ny navaliny azy: «Tsy nirahina afa-tsy ho an’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely Aho.»
Ary nony nivoaka avy tao an-tsambo i Jesoa dia nahita ireo vahoaka betsaka ka nangoraka azy, satria tahaka ny ondry tsy mana-mpiandry izy ireo, dia nampianatra azy zavatra maro Izy.
Izaho no varavarana. Raha Izaho no hidiran’ny olona, dia hovonjena izy, ka hiditra sy hivoaka, sady hahita hanina.
«Efa roapolo amby zato taona androany aho izao, ka tsy afaka mivoaka sy miditra intsony, ary i Iaveh efa nilaza tamiko hoe: Tsy hita an’io Jordany io ianao.
Fa efa toy ny ondry nania ianareo, ary indro ankehitriny efa tafaverina amin’ny Mpiandry sy Mpitondra ny fanahinareo.
ka nataon’i Saola lavitra azy izy, ary natsangany ho mpifehy arivo lahy. Ary nivoaka sy niditra teo anatrehan’ny vahoaka izy.
Dia mba ho toy ny firenena koa izahay: ny mpanjakanay no hitsara anay, hitari-dalana anay, ary hitari-tafika anay».