Nomery 26:63 - Baiboly Katolika Ireo no lehilahy voaisan’i Môizy sy i Eleazara mpisorona, izay nanisa ny zanak’i Israely teo amin’ny tany lemak’i Moaba, akaikin’i Jordany, tandrifin’i Jerikô. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ireo no voaisan’i Mosesy sy i Eleazara mpisorona, izay nanisa ny Zanak’Israely tany Arbota-Moaba, teo amoron’i Jordana, tandrifin’i Jeriko. DIEM PROTESTANTA Ireo no vokatry ny fanisàm-bahoaka nataon’i Mosesy sy i Elehazara mpisorona tamin’ny Israelita tao amin’ny lemak’i Môaba, amoron’i Jôrdàna tandrifin’i Jerikao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ireo no vokatry ny fanisàm-bahoaka nataon’i Mosesy sy i Elehazara mpisorona tamin’ny Israelita tao amin’ny lemak’i Môaba, amoron’i Jôrdàna tandrifin’i Jerikao. Baiboly Protestanta Malagasy Ireo no voalamin’i Mosesy sy Eleazara mpisorona, izay nandamina ny Zanak’Isiraely teo Arbota-moaba, teo amoron’i Jordana tandrifin’i Jeriko. Malagasy Bible Ireo no voalamin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona, izay nandamina ny Zanak'Isiraely teo Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko. La Bible en Malgache Ireo no voaisan’i Mosesy sy i Eleazara mpisorona, izay nanisa ny Zanak’Israely tany Arbota-Moaba, teo amoron’i Jordana, tandrifin’i Jeriko. |
Dia nilaza tamin’ny olona i Môizy sy i Eleazara mpisorona, tao amin’ny tany lemak’i Moaba, akaikin’i Jordany, tandrifin’i Jerikô, ka nanao hoe:
Ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra voaisa tamin’izy ireo dia 23.000. Fa tsy mba anatin’ny voaisa tamin’ny zanak’i Israely izy ireo, satria tsy mba nomena zaratany teo afovoan’ny zanak’i Israely.
Tamin’izy ireo, dia tsy nisy na dia iray aza anisan’ny zanak’i Israely, izay efa nisain’i Môizy sy i Aarôna mpisorona tany an’efitra Sinaia.
Satria efapolo taona no nandehanan’ny zanak’i Israely tany an’efitra, mandra-pahalàny ritra ny firenena rehetra, dia ny mpiantafika rehetra nivoaka avy tany Ejipta, fa tsy nihaino ny feon’i Iaveh, ka efa nianianan’i Iaveh taminy fa izy ireo tsy havelany hahita ny tany izay nianianany tamin’ny razanay homena antsika, tany tondra-dronono sy tantely.