I Melkisedeka mpanjakan’i Salema dia nitondra mofo sy divay: mpisoron’Andriamanitra avo indrindra izy.
Nomery 24:16 - Baiboly Katolika Faminanian’ilay mandre ny tenin’Andriamanitra, Izay mahalala ny fahaizan’ny Avo indrindra, Izay mibanjina ny fahitan’ny Tsitoha, Izay lavo ka misokatra ny masony: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 izay mandre ny tenin’Andriamanitra sady mahalala ny fahalalan’ny Avo Indrindra, izay mahita fahitana avy amin’ny Tsitoha, torana, kanefa nampahiratina ny masony: DIEM PROTESTANTA sady mandre ny tenin’Andriamanitra no mahita izay asehon’ilay Tsitoha, rehefa mahazo tsindrimandry avy aminy. ka tonga mahiratra fijery. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara sady mandre ny tenin’Andriamanitra no mahita izay asehon’ilay Tsitoha, rehefa mahazo tsindrimandry avy aminy. ka tonga mahiratra fijery. Baiboly Protestanta Malagasy Izay mandre ny tenin’Andriamanitra Sady mahalala ny fahalalan’ny Avo Indrindra, Izay mahita fahitana avy amin’ny Tsitoha, Torana, kanefa voahiratra ny masony: Malagasy Bible Izay mandre ny tenin'Andriamanitra sady mahalala ny fahalalan'ny Avo Indrindra, izay mahita fahitana avy amin'ny Tsitoha, torana, kanefa voahiratra ny masony: La Bible en Malgache izay mandre ny tenin’Andriamanitra sady mahalala ny fahalalan’ny Avo Indrindra, izay mahita fahitana avy amin’ny Tsitoha, torana, kanefa nampahiratina ny masony: |
I Melkisedeka mpanjakan’i Salema dia nitondra mofo sy divay: mpisoron’Andriamanitra avo indrindra izy.
Nony efa sivy amby sivy folo taona i Abrama dia niseho taminy i Iaveh ka nanao taminy hoe: «Izaho no Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra; mizora eo anatrehako ary aza manan-tsiny ianao;
Dia nilaza ny lahateniny i Balaama ka nanao hoe: «Faminanian’i Balaama zanak’i Beôra, Faminanian’ny lehilahy voakimpy ny masony,
Hitako izy, fa tsy toy ny ankehitriny, Tazako izy fa tsy mba akaiky. Misy kintana iray miposaka avy amin’i Jakôba, Tehim-panjakana iray mitsangana avy amin’i Israely. Mandrava an’i Moaba eo an-daniny roa izy, Ary mandringana ny zanaky ny fitabatabana rehetra.
ka nilaza ny lahateniny nanao hoe: «Faminanian’i Balaama zanak’i Beôra; Faminanian’ny lehilahy voakimpy ny masony;
Faminanian’ilay mandre ny tenin’Andriamanitra, Izay mibanjina ny fahitana avy amin’ny Tsitoha, Izay lavo ka misokatra ny masony:
Na dia nahazo fanomezana haminany aza aho, ka mahalala ny zava-miafina rehetra, sy manana ny fahalalana rehetra, ary manana ny finoana rehetra, hatramin’ny mahafindra tendrombohitra aza, raha tsy manana ny fitiavana, dia tsinontsinona aho.
Ny amin’ny hena naterina tamin’ny sampy, dia fantatsika ihany, fa samy manam-pahalalana isika rehetra. Ny fahalalana anefa mampiebo, fa ny fitiavana no mampandroso.