Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 24:13 - Baiboly Katolika

Na dia homen’i Balàka volafotsy sy volamena eran’ny tranony aza aho, dia tsy hahazo mandika ny tenin’i Iaveh, ka hanao na inona na inona, na soa na ratsy amin’ny nahim-poko, fa izay holazain’i Iaveh ihany no holazaiko.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Na dia homen’i Balaka volafotsy sy volamena eran’ny tranony aza aho dia tsy mahazo manoatra ny didin’NY TOMPO, na hanao soa na hanao ratsy avy amin’ny saiko, fa izay holazain’NY TOMPO ihany no holazaiko?

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

fa na dia homenao volafotsy sy volamena mahafeno ny tranonao aza aho, dia tsy afaka handika ny didin’ny TOMPO ka hitondra soa na loza araka izay nahim-poko; fa izay holazain’ny TOMPO ihany no holazaiko.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

fa na dia homenao volafotsy sy volamena mahafeno ny tranonao aza aho, dia tsy afaka handika ny didin’ny TOMPO ka hitondra soa na loza araka izay nahim-poko; fa izay holazain’ny TOMPO ihany no holazaiko.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Na dia homen’i Balaka volafotsy sy volamena eran’ny tranony aza aho, dia tsy mahazo manoatra ny didin’i Jehovah, na hanao soa, na hanao ratsy, avy amin’ny saiko; izay holazain’i Jehovah ihany no holazaiko?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Na dia homen'i Balaka volafotsy sy volamena eran'ny tranony aza aho, dia tsy mahazo manoatra ny didin'i Jehovah, na hanao soa, na hanao ratsy, avy amin'ny saiko; izay holazain'i Jehovah ihany no holazaiko?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Na dia homen’i Balaka volafotsy sy volamena eran’ny tranony aza aho dia tsy mahazo manoatra ny didin’NY TOMPO, na hanao soa na hanao ratsy avy amin’ny saiko, fa izay holazain’NY TOMPO ihany no holazaiko?

Jereo ny toko



Nomery 24:13
6 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy ity olon’Andriamanitra tamin’ny mpanjaka: «Na dia omenao ny antsasaky ny tranonao aza aho, dia tsy hiara-miditra aminao, sady tsy hihina-mofo na hisotro rano amin’ity fitoerana ity aho,


Fa hoy ny navalin’i Mikea: «Velona i Iaveh! Dia izay holazain’i Iaveh amiko ihany no hambarako koa.»


Hoy i Môizy: «Izao no hahafantaranareo fa i Iaveh no naniraka ahy mba hanao ireny zavatra rehetra ireny, fa tsy avy amiko izany.


Dia namaly i Balaama, ka nanao tamin’ny mpanompon’i Balàka hoe: «Na omen’i Balàka volafotsy sy volamena eran’ny tranony aza aho, dia tsy mahazo mandika ny tenin’i Iaveh Andriamanitro aho, ka hanao zavatra na kely na lehibe.


Nony alina dia tonga tamin’i Balaama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: «Raha tonga hiantso anao ireo olona ireo, dia mitsangàna, ka mandehana miaraka aminy, nefa izay holazaiko aminao ihany no hataonao.»


ary hoy i Balaama taminy: «Mandria atỳ anio alina, fa omeko valiny, araka izay hambaran’i Iaveh amiko ianareo.» Dia tafajanona tao amin’i Balaama ireo andriandahin’i Moaba.