Toy ny fitsoatsoaky ny fody, sy fanidintsidin’ny sidintsidina, no tsy fihàtran’ny ozonozom-poana.
Nomery 23:8 - Baiboly Katolika Hataoko ahoana no fanozona raha tsy manozona Andriamanitra? Hataoko ahoana no fitezitra raha tsy mitezitra i Iaveh? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hataoko ahoana no ho fanozona izay tsy nozonin’Andriamanitra? Ary hataoko ahoana no ho tezitra amin’izay tsy nitezeran’NY TOMPO? DIEM PROTESTANTA Hataoko ahoana anefa no fanozona izay tsy mba nozonin’Andriamanitra? Ary hataoko ahoana koa no fandrahona izay tsy mba norahonan’ny TOMPO? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hataoko ahoana anefa no fanozona izay tsy mba nozonin’Andriamanitra? Ary hataoko ahoana koa no fandrahona izay tsy mba norahonan’ny TOMPO? Baiboly Protestanta Malagasy Hataoko ahoana no fanozona izay tsy nozonin’Andriamanitra? Ary hataoko ahoana no fisahato izay tsy nosahatoin’i Jehovah? Malagasy Bible Hataoko ahoana no fanozona izay tsy nozonin'Andriamanitra? Ary hataoko ahoana no fisahato izay tsy nosahatoin'i Jehovah? La Bible en Malgache Hataoko ahoana no ho fanozona izay tsy nozonin’Andriamanitra? Ary hataoko ahoana no ho tezitra amin’izay tsy nitezeran’NY TOMPO? |
Toy ny fitsoatsoaky ny fody, sy fanidintsidin’ny sidintsidina, no tsy fihàtran’ny ozonozom-poana.
Izaho no mahafoana ny fanambaràn’ny mpaminany mpandainga, mahabedibedy foana ny mpimasy, mampikoy ny olon-kendry, ary manova ny fahaizany ho fahadalana.
Fa hoy Andriamanitra tamin’i Balaama: «Aza mandeha miaraka amin’ireo, ary aza manozona izany vahoaka izany, fa nohasoavina izy.»
Koa mihanta aminao aho, tongava atỳ amiko ianao, hanozona io vahoaka io fa mahery noho izaho izy; angamba izany no hahazoako mandresy azy sy mandroaka azy hiala amin’ny tany; satria fantatro fa izay tsofinao rano dia voatso-drano ary izay ozoninao dia voaozona.»
Noho ny tsy fisian’ny fanandroana eo amin’i Jakôba, Sy ny tsy fisian’ny sikidy eo amin’i Israely, Dia holazaina amin’i Jakôba sy i Israely amin’ny fotoana mety Izay tian’Andriamanitra hotanterahina.
ka nilaza ny lahateniny i Balaama nanao hoe: «I Balàka nampaka ahy avy tany Arama; Ny mpanjakan’i Moaba nampaka ahy, avy tany an-tendrombohitry ny Atsinanana; Avia, ozòny i Jakôba! Avia, tezera amin’i Israely!