ary hoy i Balaama taminy: «Mandria atỳ anio alina, fa omeko valiny, araka izay hambaran’i Iaveh amiko ianareo.» Dia tafajanona tao amin’i Balaama ireo andriandahin’i Moaba.
Nomery 23:15 - Baiboly Katolika Ary hoy i Balaama tamin’i Balàka: «Mitoera ianao eto anilan’ny sorona doranao; fa izaho handeha arỳ hihaona amin’i Iaveh.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy i Balama tamin’i Balaka: Mijoroa eto anilan’ny fanatitra dorana manontolo atolotrao, fa izaho dia hankerỳ hihaona amin’NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA Ary hoy i Balahama tamin’i Balàka: –Mijanòna eto akaikin’ny sorona dorana manontolo natolotrao, fa izaho hankerỳ hihaona amin’Andriamanitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hoy i Balahama tamin’i Balàka: –Mijanòna eto akaikin’ny sorona dorana manontolo natolotrao, fa izaho hankerỳ hihaona amin’Andriamanitra. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy izy tamin’i Balaka: Mitoera eto anilan’ny fanatitra doranao, fa izaho hankerỳ hihaona amin’i Jehovah. Malagasy Bible Dia hoy izy tamin'i Balaka: Mitoera eto anilan'ny fanatitra doranao, fa izaho hankerỳ hihaona amin'i Jehovah. La Bible en Malgache Dia hoy i Balama tamin’i Balaka: Mijoroa eto anilan’ny fanatitra dorana manontolo atolotrao, fa izaho dia hankerỳ hihaona amin’NY TOMPO. |
ary hoy i Balaama taminy: «Mandria atỳ anio alina, fa omeko valiny, araka izay hambaran’i Iaveh amiko ianareo.» Dia tafajanona tao amin’i Balaama ireo andriandahin’i Moaba.
Dia nentiny nankany an-tsahan’ny Tily, an-tampon’i Fasgà izy, ka nony efa nanangana ôtely fito, dia nanatitra vantotr’ombalahy iray sy ondralahy iray avy isan’ôtely izy.
Dia tonga nihaona tamin’i Balaama i Iaveh ka nanisy teny tao am-bavany, ary nilaza hoe: «Miverena any amin’i Balàka, ka izao sy izao no holazainao.»
Hoy i Balaama tamin’i Balàka: «Mitoera ianao eo anilan’ny sorona dorana, fa izaho kosa hihataka; angamba ho avy hihaona amiko i Iaveh, ary na inona na inona hasehony amiko, dia holazaiko anao.» Dia lasa izy nankany amin’ny havoana anankiray mangadihady.
Fa tsy nety nihaino an’i Balaama aho, ka nitso-drano anareo izy, dia voavonjiko tamin’ny tanan’i Balàka ianareo.