Nofoanany ny fitoerana avo, nomontsaniny ny tsangam-bato, nokapainy ny aseraha, notorotoroiny ny menarana varahina nataon’i Môizy; fa hatramin’izay, mbola nandoroan’ny zanak’i Israely zava-manitra teo anatrehany sy nantsoiny hoe i Nohestàna.
Nomery 21:8 - Baiboly Katolika ka hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Manaova ianao bibilava mahamay ka apetraho amin’ny tsato-kazo, fa ho velona aina izay rehetra voakaikitra ka mijery izany.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Manaova menarana varahina ka ahantòny amin’ny hazo lava, ary izay rehetra voakaikitra ka mijery izany dia ho velona. DIEM PROTESTANTA Ary hoy ny TOMPO taminy: –Manaova bibilava varahina dia ahantony amin’ny hazo lava fa izay rehetra voakaikitra, ka mijery izany, dia ho velona sady afa-doza. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hoy ny TOMPO taminy: –Manaova bibilava varahina dia ahantony amin’ny hazo lava fa izay rehetra voakaikitra, ka mijery izany, dia ho velona sady afa-doza. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Jehovah taminy: Manaova menaran-afo, ka ahantòny amin’ny hazo lava, ary izay rehetra voakaikitra dia ho velona, raha mijery izany. Malagasy Bible Ary hoy Jehovah taminy: Manaova menaran'afo, ka ahantòny amin'ny hazo lava, ary izay rehetra voakaikitra dia ho velona, raha mijery izany. La Bible en Malgache Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Manaova menarana varahina ka ahantòny amin’ny hazo lava, ary izay rehetra voakaikitra ka mijery izany dia ho velona. |
Nofoanany ny fitoerana avo, nomontsaniny ny tsangam-bato, nokapainy ny aseraha, notorotoroiny ny menarana varahina nataon’i Môizy; fa hatramin’izay, mbola nandoroan’ny zanak’i Israely zava-manitra teo anatrehany sy nantsoiny hoe i Nohestàna.
Aza manaram-po amin’ny fifaliana, ry Filistinina manontolo, noho ny nahatapahan’ny tsora-kazo namely anao; fa hisy menarana hateraky ny tarana-bibilava ary dragona manidina no haterany.
Faminaniana ny amin’ireo bibin’i Negeba: Izy ireo mamakivaky ny tany mampahory sy mampitebiteby, izay ivoahan’ny liona aman-diona vavy, ny menarana sy ny dragona manidina, mitondra ny hareny eny an-damosin’ny ampondra, sy ny rakiny eo amin’ny trafon’ny rameva, ho an’ny firenena tsy mahefa na inona na inona.
Mitodiha atỳ amiko, dia hovonjena ianareo, ianareo rehetra mponina amin’ny tany, fa Izaho no Andriamanitra, ary tsy misy hafa.
Tahaka ny nanandratan’i Môizy ny bibilava tany an’efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’olona koa,