Faminaniana ny amin’i Moaba. Marina tokoa fa ny alina nandrobana azy, dia fongotra i Ara-Moâba. Ny alina nandrobana azy, i Kira-Moaba dia fongotra.
Nomery 21:15 - Baiboly Katolika ary ny kisolosolon’ny ranon-driaka izay mitsontsorika mankany amin’ny fitoerana Ara, sy mipaka amin’ny Amôreana.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ary ny hantsana manamorona ny lohasahan-driaka, izay mivily mankany amin’ny tanin’i Ara ka mipaka any amin’ny sisintanin’i Moaba. DIEM PROTESTANTA izay ombàn’ny sakeli-dranony ka mitsontsorika mankany Hàra ary manaraka ny sisin-tanin’i Môaba...» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara izay ombàn’ny sakeli-dranony ka mitsontsorika mankany Hàra ary manaraka ny sisin-tanin’i Môaba...» Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny tany kisolosolo amin’ny lohasahan-driaka, Izay mandroso mankeo amin’ny tanin’i Ara Ka mipaka amin’ny fari-tanin’i Moaba. Malagasy Bible Ary ny tany kisolosolo amin'ny lohasahan-driaka, izay mandroso mankeo amin'ny tanin'i Ara ka mipaka amin'ny fari-tanin'i Moaba. La Bible en Malgache ary ny hantsana manamorona ny lohasahan-driaka, izay mivily mankany amin’ny tanin’i Ara ka mipaka any amin’ny sisintanin’i Moaba. |
Faminaniana ny amin’i Moaba. Marina tokoa fa ny alina nandrobana azy, dia fongotra i Ara-Moâba. Ny alina nandrobana azy, i Kira-Moaba dia fongotra.
Ka izany no ilazana ao amin’ny bokin’ny Adin’i Iaveh hoe: «Lasan’i Iaveh i Vaheba mirimorimo fandeha, sy ny ranon-driakan’i Arnôna,
Fa nisy afo nivoaka avy tao Hesebona, Ary lelafo avy tao an-tanànan’i Sehôna, Ka nandevona an’i Ara-Moaba, Dia ny tampon’ny havoan’i Arnôna.
Efa nanao izany tamiko ny taranak’i Esao monina any Seira, sy ny Moabita monina any Ara mandra-pitàko an’i Jordany, ho any amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitray anay.
Hoy i Iaveh tamiko: Aza manomboka ady amin’i Moaba, ary aza rafitra ady aminy, fa tsy hanomezako ho fanananareo ny taniny, na kely aza, satria i Ara efa nomeko ho fananan’ny taranak’i Lôta.