Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 21:13 - Baiboly Katolika

Niala tao izy, dia nitoby tao an-dafin’i Arnôna, izay mivalana amin’ny efitra, rehefa mivoaka ny faritanin’ny Amôreana; fa i Arnôna no faritr’i Moaba, eo anelanelan’i Moaba sy ny Amôreana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary niala tao dia nilasy tany andafin’i Arnona, izay any amin’ny tany efitra sady mivoaka avy ao amin’ny faritanin’ny Amorita; fa ny ranon’i Arnona no mamaritra ny sisintanin’ny Moabita, eo anelanelan’i Moaba sy ny Amorita.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Niala teo indray izy, dia nitoby tao an-dafin’ny renirano Arnôna izay mipoitra any amin’ny faritanin’ny Amôrita ary mamakivaky ny taniefitra, vao manamorona ny sisin-tanin’i Môaba ka mampisaraka ny faritry ny Môabita sy ny faritry ny Amôrita.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Niala teo indray izy, dia nitoby tao an-dafin’ny renirano Arnôna izay mipoitra any amin’ny faritanin’ny Amôrita ary mamakivaky ny taniefitra, vao manamorona ny sisin-tanin’i Môaba ka mampisaraka ny faritry ny Môabita sy ny faritry ny Amôrita.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nony niala tao izy, dia nitoby tao an-dafin’i Arnona, izay any an-efitra sady avy amin’ny fari-tanin’ny Amorita; fa Arnona no fari-tanin’ny Moabita, eo anelanelan’ny Moabita sy ny Amorita.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nony niala tao izy, dia nitoby tao an-dafin'i Arnona, izay any an-efitra sady avy amin'ny fari-tanin'ny Amorita; fa Arnona no fari-tanin'ny Moabita, eo anelanelan'ny Moabita sy ny Amorita.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary niala tao dia nilasy tany andafin’i Arnona, izay any amin’ny tany efitra sady mivoaka avy ao amin’ny faritanin’ny Amorita; fa ny ranon’i Arnona no mamaritra ny sisintanin’ny Moabita, eo anelanelan’i Moaba sy ny Amorita.

Jereo ny toko



Nomery 21:13
8 Rohy Ifampitohizana  

Tahaka ny vorona mandositra tahaka ny vorona iray akàny aely, ny zanaka vavin’i Moaba, eo amin’ny fitàna an’i Arnôna.


«Mangaihay i Moaba, fa voazera; samia ianareo mitoloko sy mitaraina! Ambarao any Arnôna, fa rava i Moaba!»


Ka izany no ilazana ao amin’ny bokin’ny Adin’i Iaveh hoe: «Lasan’i Iaveh i Vaheba mirimorimo fandeha, sy ny ranon-driakan’i Arnôna,


Nony ren’i Balàka fa tamy i Balaama, dia nivoaka izy hitsena azy hatrany amin’ny tanàna Moaba eo amin’ny faritra Arnôna, any amin’ny sisin-tany indrindra. Hoy i Balàka tamin’i Balaama:


Koa ankehitriny, mitsangàna ianareo, ka mandehana mita ny ranon-driaka Zareda. Dia nita ny ranon-driaka Zareda isika.


Mandehana amin’izao mamaky ny faritr’i Moaba, dia i Ara,


Koa mitsangàna ianareo mandehana mita ny ranon-driaka Arnôna. Indro atolotro eo an-tananao i Sehôna mpanjakan’i Hesebona, Amôreana, mbamin’ny taniny. Atombohy ny fakàna azy, ka tafiho izy.


Rehefa izany, namaky ny efitra izy, ka nanodidina ny tany Edôma sy ny tany Moaba, dia tonga tany atsinanan’ny tany Moaba. Dia nitoby tany an-dafin’i Arnôna izy ireo fa tsy nandroso tamin’ny faritr’i Moaba, fa i Arnôna no faritr’i Moaba.