Fa satria noho ianareo tsy nampiakatra azy tamin’ilay voalohany, no nikapohan’i Iaveh Andriamanitsika antsika, satria tsy nitady azy araka ny lalàna isika.»
Nomery 20:11 - Baiboly Katolika Dia naingain’i Môizy ny tanany, ary nokapohiny indroa tamin’ny tehina ny vatolampy, ka niboika be dia be ny rano, dia nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nanainga ny tanany i Mosesy ka nikapoka ny vatolampy indroa tamin’ny tehiny. Dia niboiboika be dia be ny rano ka nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny. DIEM PROTESTANTA Ningain’i Mosesy ny tanany ka nokapohiny indroa tamin’ny tehiny ny vatolampy; dia niboiboika be ny rano ka samy nisotro avokoa ny olon-drehetra mbamin’ny biby fiompiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ningain’i Mosesy ny tanany ka nokapohiny indroa tamin’ny tehiny ny vatolampy; dia niboiboika be ny rano ka samy nisotro avokoa ny olon-drehetra mbamin’ny biby fiompiny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Mosesy dia nanainga ny tànany ka nikapoka ny vatolampy indroa tamin’ny tehiny; dia niboiboika be dia be ny rano, ka nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny. Malagasy Bible Ary Mosesy dia nanainga ny tànany ka nikapoka ny vatolampy indroa tamin'ny tehiny; dia niboiboika be dia be ny rano, ka nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny. La Bible en Malgache Ary nanainga ny tanany i Mosesy ka nikapoka ny vatolampy indroa tamin’ny tehiny. Dia niboiboika be dia be ny rano ka nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny. |
Fa satria noho ianareo tsy nampiakatra azy tamin’ilay voalohany, no nikapohan’i Iaveh Andriamanitsika antsika, satria tsy nitady azy araka ny lalàna isika.»
Hoy i Davida tamin’izay: «Tsy misy afa-tsy ny Levita ihany no hitondra ny Fiaran’Andriamanitra satria ireo no voafidin’i Iaveh hitondra ny fiaran’Andriamanitra sy hanao ny fanompoana momba azy mandrakizay.»
Nanokatra ny vatolampy izy, dia niboiboika ny rano, ka nandriaka sahala amin’ny ony tany an’efitra.
Ianao no nampiboiboika ny loharano aman-dranon-driaka, Ianao no nahatankina ny ony tsy mety ritra.
Indro efa nikapoka ny vatolampy Izy dia nandeha ny rano, ary nibosasaka ny ranon-driaka; ho azony atao koa va ny manome mofo na manome hena ho an’ny vahoakany?»
Fa indro aho hitsangana eo anoloanao ao amin’ilay vatolampy izay any Horeba; hikapoka ny vatolampy ianao, dia hivoaka rano ary hisotro ny vahoaka». Nataon’i Môizy teo anatrehan’ny loholon’i Israely izany,
Fa indro aho, hanao zava-mahagaga vaovao; efa hiposaka izy izao, tsy hahalala izany va ianareo? Hanisy lalana any an’efitra Aho, sy ony eny an-tany karankaina.
Tsy mangetaheta ireo any amin’ny efitra nitondrany azy; fa mampiboiboika rano avy amin’ny vatolampy Izy ho an’ireo; mampitresaka ny vatolampy Izy, dia migororoana ny rano. Tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy, hoy i Iaveh.»
Ary i Nadaba sy i Abiò, zanak’i Aarôna, samy naka ny fanembohany avy dia nanisy afo tao anatiny, sy nametraka zava-manitra teo amboniny, dia nitondra afo hafa teo anatrehan’i Iaveh, nefa tsy nahazo didy momba izany izy.
«Alao ny tehina, ka vorionao sy i Aarôna, rahalahinao, ny fiangonana. Eo anatrehan’izy ireo ianareo, dia hiteny amin’ny vatolampy, mba hampiboiboika ny ranony izy, ka dia hampivoaka rano avy amin’ny vatolampy ho azy ireo ianao, ary hampisotroinao ny fiangonana sy ny biby fiompiny.»
ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»
ary fisotro ara-panahy iray ihany no nosotroin’izy rehetra, satria nisotro tamin’ny vatolampy ara-panahy izay nanaraka Azy izy ireo, ary i Kristy izany vatolampy izany.
izay nitondra anao tany amin’ny efitra lehibe sy mahatahotra misy bibilava mivaivay sy maingoka, amin’ny fitoerana ngàzana sy tsy misy rano; izay nampiboiboika rano ho anao, avy amin’ny vatolampy mafy indrindra,
Fa nampitresahin’Andriamanitra kosa ilay vatolampy hoboka tao Lekia, dia niboiboika teo ny rano. Ary velombelona ny fanahiny, nody ny ainy. Izany no niantsoana io loharano io hoe En-Hakôre, izay mbola any Lekia mandraka androany.
Nahoana ity ianao no tsy nihaino ny feon’i Iaveh fa nanao hitsin-dalana tamin’ny babo, sy nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh?»
Tamin’izay i Saola niteny tamin’i Samoela hoe: «Nanota aho, fa nandika ny didin’i Iaveh sy ny teninao: natahotra ny vahoaka aho ary nihaino ny teniny.