Ka hoy ireo: «Nanonofy izahay, ka tsy misy mahalaza ny heviny.» Ary hoy i Josefa taminy: «Moa tsy an’Andriamanitra va ny fanambaràn-javatra? Ka mba ambarao kely amiko izany.»
Nomery 20:10 - Baiboly Katolika Manaraka izany novorin’i Môizy sy i Aarôna teo anoloan’ny vatolampy ny fiangonana, ka hoy i Môizy tamin’izy ireo: «Mihainoa, ry mpiodina: hampivoaka rano ho anareo amin’ity vatolampy ity va izahay?» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary novorin’i Mosesy sy i Arona teo anoloan’ny vatolampy ny fiangonana ka hoy izy: Mihainoa, ry mpikomy! Moa avy amin’ity vatolampy ity va no hampivoahanay rano ho anareo? DIEM PROTESTANTA Novorin’izy sy i Aharôna teo anoloan’ny vatolampy ny fiangonana ka noteneniny hoe: –Henoinareo, ry mpiodina: Moa afaka hamoaka rano ho anareo avy amin’ity vato ity va izahay? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Novorin’izy sy i Aharôna teo anoloan’ny vatolampy ny fiangonana ka noteneniny hoe: –Henoinareo, ry mpiodina: Moa afaka hamoaka rano ho anareo avy amin’ity vato ity va izahay? Baiboly Protestanta Malagasy Dia novorin’i Mosesy sy Arona teo anoloan’ny vatolampy ny fiangonana; ka dia hoy izy: Mihainoa, ry mpiodina: Moa amin’ity vatolampy ity va no hampivoahanay rano ho anareo? Malagasy Bible Dia novorin'i Mosesy sy Arona teo anoloan'ny vatolampy ny fiangonana; ka dia hoy izy: Mihainoa, ry mpiodina: Moa amin'ity vatolampy ity va no hampivoahanay rano ho anareo? La Bible en Malgache Ary novorin’i Mosesy sy i Arona teo anoloan’ny vatolampy ny fiangonana ka hoy izy: Mihainoa, ry mpikomy! Moa avy amin’ity vatolampy ity va no hampivoahanay rano ho anareo? |
Ka hoy ireo: «Nanonofy izahay, ka tsy misy mahalaza ny heviny.» Ary hoy i Josefa taminy: «Moa tsy an’Andriamanitra va ny fanambaràn-javatra? Ka mba ambarao kely amiko izany.»
Dia hoy ny navalin’i Josefa tamin’i Faraôna: «Tsy izaho fa Andriamanitra no hilaza izay valiny hiadanan’i Faraôna.»
Fa indro aho hitsangana eo anoloanao ao amin’ilay vatolampy izay any Horeba; hikapoka ny vatolampy ianao, dia hivoaka rano ary hisotro ny vahoaka». Nataon’i Môizy teo anatrehan’ny loholon’i Israely izany,
«Efa hakambana amin’ny razany i Aarôna, fa tsy hiditra any amin’ny tany omeko ny zanak’i Israely izy, satria nandà ny teniko ianareo, tao amin’ny ranon’i Meribà.
Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin’ny fitsarana; ary izay hanao aminy hoe Raka, dia hohelohina amin’ny Sanedrìna; ary izay hanao azy hoe Foka dia hohelohina any amin’ny gehen’afo.
Samy tsinontsinona na izay mamboly na izay manondraka; fa Andriamanitra Izay mampaniry ihany no Izy.
Tezera, fa aza manota, ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.
Fa manota amin’ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy tsy manota amin’ny teny, olona lavorary izy, ka mahafehy ny tenany rehetra koa.