Notanterahin’ny zanak’i Israely avokoa izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy. Toy izany no nitobiany samy araka ny fanevany avy. Toy izany no nilaharany teo am-pandehanana araka ny fianakaviany avy sy ny tokom-pianakaviany avy.
Nomery 2:33 - Baiboly Katolika Tsy anisan’ny voaisa niaraka tamin’ny zanak’i Israely ny Levita, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny levita kosa dia tsy mba nisaina niaraka tamin’ny Zanak’Israely, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. DIEM PROTESTANTA Ny Levita ihany no tsy natao fanisana niaraka tamin’ny Israelita hafa araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny Levita ihany no tsy natao fanisana niaraka tamin’ny Israelita hafa araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy. Baiboly Protestanta Malagasy Fa ny Levita dia tsy mba niaraka nalamina tamin’ny Zanak’Isiraely, araka izay efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy. Malagasy Bible Fa ny Levita dia tsy mba niaraka nalamina tamin'ny Zanak'Isiraely, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. La Bible en Malgache Ny levita kosa dia tsy mba nisaina niaraka tamin’ny Zanak’Israely, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. |