Dia nahorona ny Fonenana ka niainga nitondra ny Fonenana ny zanak’i Gersôna sy ny zanak’i Merarỳ.
Nomery 2:17 - Baiboly Katolika Izay vao handroso ny trano lay fihaonana, ny antokon’ny Levita eo afovoan’ny toby rehetra. Ary araka ny filaharany eo an-dasy ihany no ho fandehany eny an-dalana koa, samy eo an-daharany manaraka ny fanevany avy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia handroso ny tranolay fihaonana sy ny tobin’ny levita izay eo afovoan’ny toby rehetra, ka araka ny itobiany ihany no handrosoany, samy eo amin’ny filaharany avy, araka ny fanevany avy. DIEM PROTESTANTA «Dia handroso ny Tranolay fihaonana sy ny andian’ny Levita eo anelanelan’ny vondron-tafika roa mialoha sy ny vondron-tafika roa manaraka. Handroso araka ny filaharany eo amin’izay itobiany ihany ny levita, ka hanaraka ny fanevan’ny tarika misy azy avy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Dia handroso ny Tranolay fihaonana sy ny andian’ny Levita eo anelanelan’ny vondron-tafika roa mialoha sy ny vondron-tafika roa manaraka. Handroso araka ny filaharany eo amin’izay itobiany ihany ny levita, ka hanaraka ny fanevan’ny tarika misy azy avy. Baiboly Protestanta Malagasy Dia handroso ny trano-lay fihaonana sy ny tobin’ny Levita, eo afovoan’ny toby rehetra; ka araka ny itobiany ihany no handrosoany, samy eo amin’ny filaharany avy, araka ny fanevany. Malagasy Bible Dia handroso ny trano-lay fihaonana sy ny tobin'ny Levita, eo afovoan'ny toby rehetra; ka araka ny itobiany ihany no handrosoany, samy eo amin'ny filaharany avy, araka ny fanevany. La Bible en Malgache Dia handroso ny tranolay fihaonana sy ny tobin’ny levita* izay eo afovoan’ny toby rehetra, ka araka ny itobiany ihany no handrosoany, samy eo amin’ny filaharany avy, araka ny fanevany avy. |
Dia nahorona ny Fonenana ka niainga nitondra ny Fonenana ny zanak’i Gersôna sy ny zanak’i Merarỳ.
Niainga ny Kaatita mitondra ny zavatra masina, ka mandra-pahatongany, dia atsangana ny Fonenana.
Ny fanevan’i Efraima no ho eo andrefana, mbamin’ny antokony. Ny filohan’ny taranak’i Efraima, dia Elisamà zanak’i Amioda:
I Môizy sy i Aarôna mbamin’ny zanany no nitoby eo anoloan’ny Fonenana, eo atsinanana, eo anatrehan’ny trano lay fihaonana, amin’ny lafiny iposahan’ny masoandro; izy ireo no niadidy ny fiambenana ny fitoerana masina, araka izay tokony hotandreman’ny zanak’i Israely rehetra; fa raha olon-kafa no manakaiky eo, dia tsy maintsy hohelohin-ko faty.
fa na dia tsy atỳ aminareo amin’ny vatana aza aho, dia atỳ aminareo amin’ny fanahy ihany, ka faly mijery izato filaminanareo sy hamafin’ny finoanareo an’i Kristy.