«Mialà, mialà, mivoaha teo ianareo; aza mikasika izay maloto. Mivoaha avy ao aminy, mandiova tena ianareo, izay mitondra ny fanak’i Iaveh.
Nomery 19:16 - Baiboly Katolika Na iza na iza any an-tsaha, mikasika olona novonoin-tsabatra, na fatin’olona, na taolam-paty, na fasana, dia haloto hafitoana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izay rehetra mikasika izay matin-tsabatra any an-tsaha, na fatin’olona na taolan’olona na fasana, dia haloto hafitoana. DIEM PROTESTANTA Izay any an-tsaha, ka mandona olona matin-tsabatra na maty ho azy na koa mandona taolam-paty na fasana, dia haloto mandritra ny fito andro. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izay any an-tsaha, ka mandona olona matin-tsabatra na maty ho azy na koa mandona taolam-paty na fasana, dia haloto mandritra ny fito andro. Baiboly Protestanta Malagasy Ary izay rehetra mikasika izay matin-tsabatra any an-tsaha, na fatin’olona, na taolan’olona, na fasana, dia haloto hafitoana. Malagasy Bible Ary izay rehetra mikasika izay matin-tsabatra any an-tsaha, na fatin'olona, na taolan'olona, na fasana, dia haloto hafitoana. La Bible en Malgache Izay rehetra mikasika izay matin-tsabatra any an-tsaha, na fatin’olona na taolan’olona na fasana, dia haloto hafitoana. |
«Mialà, mialà, mivoaha teo ianareo; aza mikasika izay maloto. Mivoaha avy ao aminy, mandiova tena ianareo, izay mitondra ny fanak’i Iaveh.
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: Mitenena amin’ny mpisorona zanak’i Aarôna ka lazao azy ireo hoe: «Aza misy mandoto tena raha misy maty eo amin’ny fireneny,
Ary ianareo dia mitobia any ivelan’ny toby mandritra ny hafitoana, ka izay rehetra nahafaty olona, na nikasika faty, dia samia mandio tena, amin’ny andro fahatelo sy amin’ny andro fahafito, na ianareo na ny sambotrareo.
«Asaovy avoaky ny zanak’i Israely any ivelan’ny toby izay rehetra boka, na voan’ny fitsihana, na voaloton’ny faty.
Nisy olona sasany sendra voaloto tamim-paty ka tsy afa-nanao ny Paka tamin’izany andro izany. Nankeo anatrehan’i Môizy sy i Aarôna androtr’izay ihany izy ireo, ka nanao tamin’i Môizy hoe:
Mila loza ianareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa tahaka ny fasana voalalotra fotsy ianareo eto ivelany ka miseho ho tsara, fa ao anatiny feno taolam-paty sy olitra.
Mila loza ianareo, fa toy ny fasana tsy hita ianareo, ka hitsahin’ny olona fa tsy fantany.