Nomery 17:21 - Baiboly Katolika Niteny tamin’ny zanak’i Israely i Môizy, ka nanatitra tehina iray tamin’ny filohany rehetra, tehina iray isam-pilohany, araka ny fokom-pianakaviany avy, dia tehina 12 izany, ary ny tehin’i Aarôna dia teo afovoan’ny tehin’izy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary niteny tamin’ny Zanak’Israely i Mosesy ka samy nanatitra tehina iray avy teo aminy araka ny fianakaviany ary ny lohan’ny fokony, dia tehina roa amby folo; ary ny tehin’i Arona no teo afovoan’ireo tehiny ireo. DIEM PROTESTANTA Niteny tamin’ny Israelita i Mosesy, dia samy nanatitra tehina iray avy isam-poko ny filoha rehetra; koa dia nahazo tehina roambinifolo izy, ary ny tehin’i Aharôna dia teo afovoan’ny tehin’izy ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Niteny tamin’ny Israelita i Mosesy, dia samy nanatitra tehina iray avy isam-poko ny filoha rehetra; koa dia nahazo tehina roambinifolo izy, ary ny tehin’i Aharôna dia teo afovoan’ny tehin’izy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Mosesy dia niteny tamin’ny Zanak’Isiraely, ka ny lohan’ny firenena dia samy nanatitra tehina iray avy teo aminy araka ny fianakaviany, dia tehina roa ambin’ny folo; ary ny tehin’i Arona dia teo afovoan’ireo tehiny ireo. La Bible en Malgache Ary niteny tamin’ny Zanak’Israely i Mosesy ka samy nanatitra tehina iray avy teo aminy araka ny fianakaviany ary ny lohan’ny fokony, dia tehina roa amby folo; ary ny tehin’i Arona no teo afovoan’ireo tehiny ireo. |