Nomery 17:12 - Baiboly Katolika Nalain’i Aarôna araka ny voalazan’i Môizy ny fanembohana, ka nihazakazaka nankeo afovoan’ny fiangonana izy; ary indro efa nanomboka ny loza eo amin’ny vahoaka. Dia nasiana zava-manitra ny fanembohana, ka nataony ny fanonerana ho an’ny vahoaka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nalain’i Arona araka izay nandidian’i Mosesy izany ka nihazakazaka ho eo afovoan’ny fiangonana izy; ary indro, efa niantomboka teo amin’ny olona ny areti-mandringana. Dia nandoro ny ditin-kazo manitra teo izy ka nanao fanavotana ho an’ny olona. DIEM PROTESTANTA Noraisin’i Aharôna araka ny tenin’i Mosesy ny fitaovana fandoroana zava-manitra, dia nilomay nankeo afovoan’ny fiangonana izy; ary indro fa efa niantomboka tamin’ny vahoaka ny loza. Nandoro vovo-javamanitra teo izy ka nanao ny fombam-pivavahana hahazoam-pamelan-keloka ho an’ny vahoaka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Noraisin’i Aharôna araka ny tenin’i Mosesy ny fitaovana fandoroana zava-manitra, dia nilomay nankeo afovoan’ny fiangonana izy; ary indro fa efa niantomboka tamin’ny vahoaka ny loza. Nandoro vovo-javamanitra teo izy ka nanao ny fombam-pivavahana hahazoam-pamelan-keloka ho an’ny vahoaka. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nalain’i Arona izany, araka izay nandidian’i Mosesy, ka nihazakazaka ho eo afovoan’ny fiangonana izy; ary, indro, efa niantomboka teo amin’ny olona ny areti-mandringana; ary nandoro ny ditin-kazo manitra teo izy ka nanao fanavotana ho an’ny olona. Malagasy Bible Dia nalain'i Arona izany, araka izay nandidian'i Mosesy, ka nihazakazaka ho eo afovoan'ny fiangonana izy; ary, indro, efa niantomboka teo amin'ny olona ny areti-mandringana; ary nandoro ny ditin-kazo manitra teo izy ka nanao fanavotana ho an'ny olona. La Bible en Malgache Dia nalain’i Arona araka izay nandidian’i Mosesy izany ka nihazakazaka ho eo afovoan’ny fiangonana izy; ary indro, efa niantomboka teo amin’ny olona ny areti-mandringana. Dia nandoro ny ditin-kazo manitra teo izy ka nanao fanavotana ho an’ny olona. |
Fa tsy te-hifandahatra mandrakariva aho, na hitahiry fahatezerana mandrakizay; satria amin’izany dia ho torana eo anatrehako ny fanahy sy ny aina izay nataoko.
Ka hoy aho tamin’izay: «Loza ho ahy! maty aho! fa izaho olona maloto molotra; ary ny firenena itoerako maloto molotra; nefa aho nahita maso ny Mpanjaka, Iavehn’ny tafika!»
Ary hoy i Môizy tamin’i Aarôna: «Alao ny fanembohana ary asio afo avy eo ambonin’ny ôtely, asio zava-manitra, ka mandehana faingana eo amin’ny fiangonana, dia manaova ny fanonerana ho azy ireo, fa efa nivoaka avy eo anatrehan’i Iaveh ny fahatezerana, ary efa manomboka ny loza.»
dia ho faneken’ny fisoronana mandrakizay, ho azy sy ny taranany mandimby azy, noho izy saro-piaro ho an’Andriamaniny, sy nanao ny fanonerana ho an’ny zanak’i Israely.»
Ary efa hadinonareo ny fananarana milaza aminareo toy ny amin’ny zanaka hoe: Anaka, aza manamavo ny famaizan’ny Tompo, ary aza mba ketraka amin’ny fananarany anao;