Haniraka famonjena avy any an-danitra ho ahy koa Izy; - fanalam-baraka no atolotry ny mpanenjika ahy! - Selà Haniraka ny hatsaram-pony amam-pahamarinany Andriamanitra.
Nomery 17:10 - Baiboly Katolika «Mialà ianareo eo afovoan’ity fiangonana ity, handringanako azy indray mihelina.» Dia niankohoka tamin’ny tany izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mialà amin’io fiangonana io handringanako azy amin’ny indray mipy maso monja! Dia niankohoka tamin’ny tany izy roa lahy. DIEM PROTESTANTA –Mialà ianareo amin’io fiangonana io fa handringana azy indray mipi-maso Aho. Dia niankohoka tamin’ny tany izy roa lahy, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Mialà ianareo amin’io fiangonana io fa handringana azy indray mipi-maso Aho. Dia niankohoka tamin’ny tany izy roa lahy, Baiboly Protestanta Malagasy Mialà amin’io fiangonana io handringanako azy amin’ny indray mipì-maso monja. Dia niankohoka izy roa lahy. Malagasy Bible Mialà amin'io fiangonana io handringanako azy amin'ny indray mipi-maso monja. Dia niankohoka izy roa lahy. La Bible en Malgache Mialà amin’io fiangonana io handringanako azy amin’ny indray mipy maso monja! Dia niankohoka tamin’ny tany izy roa lahy. |
Haniraka famonjena avy any an-danitra ho ahy koa Izy; - fanalam-baraka no atolotry ny mpanenjika ahy! - Selà Haniraka ny hatsaram-pony amam-pahamarinany Andriamanitra.
Hoy i Môizy: «Izao no didin’i Iaveh: Fenoy izany ny gômôra iray, ka tahirizo ho an’ny taranakareo, mba hahitany ny mofo namelomako anareo tatỳ an’efitra raha namoaka anareo avy any amin’ny tany Ejipta Aho.»
Dia napetrak’i Aarôna teo anatrehan’ny Vavolombelona izany, mba hotahirizina, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
Mihainoa, ry lanitra, ary ianao ry tany, mitongilàna sofina, fa miteny i Iaveh: «Efa namelon-jaza Aho, ary efa nanabe ireny, kanjo izy ireo niodina tamiko.
Efa nanota hatramin’ny andro, fony tany Gabaà, ianao, ry Israely; mikiribiby aman-keloka izy ireo. Moa tsy hahatratra azy ireo koa any Gabaà ny ady voalaza hatao amin’ny zanaky ny faharatsiana?
Nidaboka niankohoka teo anatrehan’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra tafavory i Môizy sy i Aarôna.
«Mialà eo afovoan’ity fiangonana ity ianareo, handringanako azy indray mihelina monja.»
Ary hoy i Môizy tamin’i Aarôna: «Alao ny fanembohana ary asio afo avy eo ambonin’ny ôtely, asio zava-manitra, ka mandehana faingana eo amin’ny fiangonana, dia manaova ny fanonerana ho azy ireo, fa efa nivoaka avy eo anatrehan’i Iaveh ny fahatezerana, ary efa manomboka ny loza.»
Dia nalain’i Eleazara mpisorona ny fanembohana varahina naterin’ireo olona levon’ny afo, ka nofisahiny ho takelaka handrakofana ny ôtely.
Dia nalain’i Môizy, araka ny nandidian’i Iaveh azy, ny tehina izay teo anatrehan’i Iaveh.
ary aoka ianareo tsy himonjomonjo tahaka ny sasany tamin’ireny, ka matin’ny Anjely mpandringana izy ireny.
Koa aza mety hofitahin’olona amin’izay lainga tsara lahatra foana, fa ireo zava-dratsy ireo no nianjeran’ny fahatezeran’Andriamanitra tamin’ny zanaky ny tsy finoana.
Tsarovy ka aza hadinoinao, fa nanao ahoana moa no nampahatezeranao an’i Iaveh Andriamanitrao tany an’efitra. Hatramin’ny andro nivoahanao tany amin’ny tany Ejipta, ka hatramin’ny nahatongavanao teto amin’ity fitoerana ity, dia niodina tamin’i Iaveh ihany ianareo.
ny ôtely volamena fandoroana emboka manitra, ny fiaran’ny fanekena voasarona volamena avokoa, izay nisy ny siny volamena nitoeran’ny mana, sy ny tehin’i Aarôna izay nitsimoka, ary ny vato fisaka nisy ny fanekena.
Fa rehefa mety ho lehilahy sompatra sy faikany tamin’ny olona niaraka tamin’i Davida dia niteny kosa nanao hoe: «Satria tsy mba tafaraka tamintsika ireo dia tsy mba homentsika amin’ny babo azontsika afa-tsy ny vady aman-janany isany avy ihany; ka aoka hoentiny izany ary handeha any izy».