Nomery 16:7 - Baiboly Katolika Rahampitso dia hasianareo afo ireo, ary zava-manitra no hataonareo eo amboniny, eo anatrehan’i Iaveh: izay hofidin’i Iaveh dia izay no masina. Ka aoka izay ry zanak’i Levỳ.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 dia asio afo ao anatiny ka asio ditin-kazo manitra eo aminy, eo anatrehan’NY TOMPO; koa ny lehilahy izay fidin’NY TOMPO, dia izy no ho masina. Fa ampy izay, ry taranak’i Levy! DIEM PROTESTANTA dia asio vainafo ao anatin’ireny rahampitso ary andraraho vovo-javamanitra eo ambonin’izany eo anatrehan’ny TOMPO. Ho hita eo izay hofidin’ny TOMPO ka ho masina. Ampy izay, ry taranak’i Levỳ. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara dia asio vainafo ao anatin’ireny rahampitso ary andraraho vovo-javamanitra eo ambonin’izany eo anatrehan’ny TOMPO. Ho hita eo izay hofidin’ny TOMPO ka ho masina. Ampy izay, ry taranak’i Levỳ. Baiboly Protestanta Malagasy dia asio afo eo anatiny ka asio ditin-kazo manitra eo aminy eo anatrehan’i Jehovah; ary ny lehilahy izay fidin’i Jehovah, dia izy no ho masina; fa aoka izay hianareo, ry taranak’i Levy! Malagasy Bible dia asio afo eo anatiny ka asio ditin-kazo manitra eo aminy eo anatrehan'i Jehovah; ary ny lehilahy izay fidin'i Jehovah, dia izy no ho masina; fa aoka izay ianareo, ry taranak'i Levy! La Bible en Malgache dia asio afo ao anatiny ka asio ditin-kazo manitra eo aminy, eo anatrehan’NY TOMPO; koa ny lehilahy izay fidin’NY TOMPO, dia izy no ho masina. Fa ampy izay, ry taranak’i Levy! |
Nivory hiodina amin’i Môizy sy i Aarôna izy ireo, ka nanao taminy hoe: «Aoka izay fa masina avokoa ny fiangonana rehetra, ny olon-drehetra, ary eo afovoan’izy ireo i Iaveh. Nahoana ianareo no manandra-tena ho ambonin’ny fiangonan’i Iaveh?»
ka niteny tamin’i Kôre sy ny tariny rehetra nanao hoe: «Rahampitso dia hasehon’i Iaveh izay Azy sy izay masina, ka hampanakekeziny Azy: dia izay nofidiny no hampanakekeziny Azy.
sy nifidy antsika tao aminy talohan’ny nahariana izao tontolo izao, mba ho masina sy tsy manan-tsiny eo anatrehany isika,
Ary izahay, ry havana malalan’ny Tompo, dia tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, noho ianareo nofidin’Andriamanitra hatramin’ny voalohany hahazo famonjena amin’ny fanamasinan’ny Fanahy, sy amin’ny finoana ny marina;
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, mpisorona manjaka, firenena masina, vahoaka navotana, mba hitorianareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny haizina, ho amin’ny fahazavany mahagaga: