Nidina teny amin’ny rahona i Iaveh dia niteny tamin’i Môizy; nangalany ny fanahy izay tao amin’i Môizy, ka nataony tao amin’ny loholona fitopolo lahy, naminany izy ireo raha vao tonga tao aminy ny fanahy, nefa tsy notohizany izany.
Nomery 16:25 - Baiboly Katolika Nitsangana nankeo amin’i Datàna sy i Abirôna i Môizy ary nisy nanaraka azy ny loholon’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nitsangana i Mosesy ka nankeo amin’i Datana sy i Abirama; ary nanaraka azy ireo ny loholon’ny Israely. DIEM PROTESTANTA Dia nitsangana i Mosesy ka nankeo amin’i Datàna sy i Abirama sady narahin’ny loholon’i Israely. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nitsangana i Mosesy ka nankeo amin’i Datàna sy i Abirama sady narahin’ny loholon’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nitsangana Mosesy ka nankeo amin’i Datana sy Abìrama; ary nanaraka azy ny loholon’ny Isiraely. Malagasy Bible Dia nitsangana Mosesy ka nankeo amin'i Datana sy Abìrama; ary nanaraka azy ny loholon'ny Isiraely. La Bible en Malgache Dia nitsangana i Mosesy ka nankeo amin’i Datana sy i Abirama; ary nanaraka azy ireo ny loholon’ny Israely. |
Nidina teny amin’ny rahona i Iaveh dia niteny tamin’i Môizy; nangalany ny fanahy izay tao amin’i Môizy, ka nataony tao amin’ny loholona fitopolo lahy, naminany izy ireo raha vao tonga tao aminy ny fanahy, nefa tsy notohizany izany.
I Kôre, zanak’i Isaara, zanak’i Kaata, zanak’i Levỳ, miaraka amin’i Datàna sy i Abirôna, zanak’i Eliaba, ary i Hôna, zanak’i Feleta, izay zana-dRobena,
«Mitenena amin’ny fiangonana, lazao hoe: Mihataha ianareo rehetra, mialà amin’ny manodidina ny lain’i Kôre sy i Datàna ary i Abirôna.»
Ary niteny tamin’ny fiangonana Izy, nanao hoe: «Manalavira ianareo ny lain’ireto olon-dratsy ireto, ary aza mikasika izay azy, na inona na inona, fandrao dia ringana koa ianareo, azon’ny fahotany rehetra.»