Mbola miteny amin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra eo i Aarôna, no nitodika ny efitra ireo, ka indro niseho teo amin’ny rahona ny voninahitr’i Iaveh.
Nomery 16:19 - Baiboly Katolika Nantsoin’i Kôre ho eo am-baravaran’ny trano lay fihaonana ny fiangonana rehetra, hanohitra an’i Môizy sy i Aarôna. Dia niseho tamin’ny fiangonana rehetra ny voninahitr’i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nanangona ny antokony rehetra ho eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana i Kora mba hanohitra azy roa lahy. Tamin’izay dia niseho tamin’ny fiangonana manontolo ny voninahitry NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA Novorin’i Kôra ny fiangonana manontolo hankeo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana mba hanohitra azy roa lahy. Dia niseho tamin’ny fiangonana manontolo ny voninahitry ny TOMPO; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Novorin’i Kôra ny fiangonana manontolo hankeo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana mba hanohitra azy roa lahy. Dia niseho tamin’ny fiangonana manontolo ny voninahitry ny TOMPO; Baiboly Protestanta Malagasy Ary Kora nanangona ny namany rehetra ho eo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana hanohitra azy roa lahy; dia niseho tamin’ny fiangonana rehetra ny voninahitr’i Jehovah. Malagasy Bible Ary Kora nanangona ny namany rehetra ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana hanohitra azy roa lahy; dia niseho tamin'ny fiangonana rehetra ny voninahitr'i Jehovah. La Bible en Malgache Ary nanangona ny antokony rehetra ho eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana i Kora mba hanohitra azy roa lahy. Tamin’izay dia niseho tamin’ny fiangonana manontolo ny voninahitry NY TOMPO. |
Mbola miteny amin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra eo i Aarôna, no nitodika ny efitra ireo, ka indro niseho teo amin’ny rahona ny voninahitr’i Iaveh.
ary ho hitanareo raha maraina ny voninahitr’i Iaveh, satria reny ny fimonomononanareo tamin’i Iaveh, fa izahay moa no inona no izahay no imonomononanareo?»
Niditra tao an-trano lay fihaonana i Môizy sy i Aarôna; nony nivoaka avy ao izy ireo, dia nitso-drano ny vahoaka. Ary niseho tamin’ny vahoaka rehetra ny voninahitr’i Iaveh.
Ary hoy i Môizy: «Ataovy izay nandidian’i Iaveh anareo, ka hiseho aminareo ny voninahitr’i Iaveh.»
Ary i Iaveh nidina tamin’ny andry rahona, ka nitoetra teo am-baravaran’ny trano lay. Niantso an’i Aarôna sy i Maria izy, dia nandroso izy mianadahy ireo;
Raha ilay niteniteny ny hitora-bato an’ireo iny ny fiangonana rehetra dia indro ny voninahitr’i Iaveh niseho teo amin’ny trano lay fihaonana, teo imason’ny zanak’i Israely rehetra.
Dia samy naka ny fanembohany avy izy rehetra, ka nasiany afo tao anatiny, sy norarahany zava-manitra koa; dia nijanona teo am-baravaran’ny trano lay fihaonana izy, mbamin’i Môizy sy i Aarôna.
Noho ny tsy fisian’ny rano ho an’ny fiangonana, dia nivory hiodina amin’i Môizy sy i Aarôna izy ireo.
Dia niala tao amin’ny fiangonana i Môizy sy i Aarôna, nankeo am-baravaran’ny trano lay fihaonana. Nidaboka niankohoka izy ireo, dia niseho taminy ny voninahitr’i Iaveh.