Toy izany no nanokotokoana ny mpiandry varavarana, amin’ny taranak’i Kôreita sy ny taranak’i Merarỳ.
Nomery 16:11 - Baiboly Katolika Izany no hiraisanareo tetika hiodina amin’i Iaveh, ianao sy ny tarikao rehetra! Ary i Aarôna moa no inona, no izy no imonomononanareo?» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izany no niraisanao hevitra tamin’ny namanao rehetra mba hikomy amin’NY TOMPO! Fa i Arona moa no inona no imonomononanareo? DIEM PROTESTANTA Izany ange ka ikomianao sy ny namanao rehetra amin’ny TOMPO, fa tsy dia amin’i Aharôna loatra akory no imonomononanareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izany ange ka ikomianao sy ny namanao rehetra amin’ny TOMPO, fa tsy dia amin’i Aharôna loatra akory no imonomononanareo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary noho izany hianao sy ny namanao rehetra dia tafangona hiodina amin’i Jehovah; fa Arona moa no inona, no imonomononanareo? Malagasy Bible Ary noho izany ianao sy ny namanao rehetra dia tafangona hiodina amin'i Jehovah; fa Arona moa no inona, no imonomononanareo? La Bible en Malgache Izany no niraisanao hevitra tamin’ny namanao rehetra mba hikomy amin’NY TOMPO! Fa i Arona moa no inona no imonomononanareo? |
Toy izany no nanokotokoana ny mpiandry varavarana, amin’ny taranak’i Kôreita sy ny taranak’i Merarỳ.
Ka nila akisa tamin’i Môizy ny vahoaka, nanao hoe: «Omeo rano izahay, hosotroinay.» Fa ho i Môizy namaly azy hoe: «Nahoana no dia mila akisa amiko ianareo? Nahoana no dia maka fanahy an’i Iaveh ianareo?»
Nanomboka nimonomonona zavatra tsy mety tamin’ny sofin’i Iaveh ny vahoaka. Nandre an’izany i Iaveh ka nirehitra ny hatezerany ary nirehitra tamin’izy ireo ny afon’i Iaveh, ka may ny teny an-tsisin’ny toby.
Nivory hiodina amin’i Môizy sy i Aarôna izy ireo, ka nanao taminy hoe: «Aoka izay fa masina avokoa ny fiangonana rehetra, ny olon-drehetra, ary eo afovoan’izy ireo i Iaveh. Nahoana ianareo no manandra-tena ho ambonin’ny fiangonan’i Iaveh?»
«Izay mihaino anareo mihaino Ahy, ary izay manamavo anareo manamavo Ahy; izay manamavo Ahy anefa dia manamavo Izay naniraka Ahy.»
Lazaiko marina dia marina aminareo: Izay mandray izay irahiko, dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy, dia mandray Izay naniraka Ahy.
Fony mbola tsy namidy izy, moa tsy anao va? Ary nony efa namidy indray, moa tsy anao koa va ny vidiny? Ka ahoana no dia nahavitanao hevitra toy izao? Tsy olombelona no nandainganao, fa Andriamanitra.»
Koa izay manohitra ny fahefana, dia manohitra ny fandaharan’Andriamanitra; ary izay manohitra, dia mihatsy fanamelohana ny tenany.
ary aoka ianareo tsy himonjomonjo tahaka ny sasany tamin’ireny, ka matin’ny Anjely mpandringana izy ireny.
Mpandraharaha nahatonga anareo ho mpino fotsiny ireo, samy araka izay nomen’ny Tompo azy avy.
Olona mpimonjomonjo lava izy ireo, tsy mionona amin’ny anjarany na oviana na oviana, manaraka ny danin’ny kibony hatrany hatrany, miavonavom-piteny izaitsizy, ary mandoka ny sasany mba hahazoany vola.
«Henoy ny feon’ny vahoaka araka izay rehetra holazainy aminao, satria tsy mba ianao no ariany fa Izaho no ariany, dia ny tsy hanjakako aminy intsony;