Izany no hatao amin’ny isan’omby iray, sy isan’ondralahy iray, ary isan-janak’ondry na zanak’osy iray.
Nomery 15:10 - Baiboly Katolika ary divay antsasaky ny hina, no hatolotrao ho fanatitra araraka: Sorona atao amin’ny afo, ho hanitra mahafinaritra ho an’i Iaveh izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ary divay antsasaky ny hina no hatolotrao ho fanatitra aidina, ho fanatitra levonina amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA ary divay telo litatra no haterina miaraka amin’ny ombilahy; ka hanetona ho hanitra hankasitrahina ho AHY izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ary divay telo litatra no haterina miaraka amin’ny ombilahy; ka hanetona ho hanitra hankasitrahina ho AHY izany. Baiboly Protestanta Malagasy ary divay antsasaky ny hina no haterinao ho fanatitra aidina, ho fanatitra atao amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an’i Jehovah. Malagasy Bible ary divay antsasaky ny hina no haterinao ho fanatitra aidina, ho fanatitra atao amin'ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah. La Bible en Malgache ary divay antsasaky ny hina no hatolotrao ho fanatitra aidina, ho fanatitra levonina amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO. |
Izany no hatao amin’ny isan’omby iray, sy isan’ondralahy iray, ary isan-janak’ondry na zanak’osy iray.
hanao fanatitra hararaka, divay hampahefatry ny hina, miaraka amin’ny sorona dorana, na ny sorom-pihavanana, isan-janak’ondry.
dia lafarina tsara indrindra, telo ampahafolony, voadity tamin’ny diloilo antsasaky ny hina no hatolotrao miaraka amin’ny ombalahy ho fanatitra,
ary koa mofo tsy misy lalivay iray harona, mofomamy natao tamin’ny lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo, mofo manify tsy misy lalivay voaidina diloilo, mbamin’ny fanatitra sy ny fanatitra araraka.
Nony efa notazany ny zaza, dia nentiny niakatra niaraka taminy, sady naka vantotr’ombilahy telo, sy lafarina iray efah, ary divay eran’ny siny hoditra izy, dia nentiny nankao an-tranon’i Iaveh tao Silao izy. Mbola tanora kely ny zaza.