raha hoy ianareo: Tsia, fa any Ejipta no halehanay, izay tsy hahitanay ady, tsy handrenesanay feon’anjomara, tsy hahatsiarovanay noana, ka any no honenanay;
Nomery 14:4 - Baiboly Katolika Dia nifampilaza hoe izy: «Andeha hifidy mpitarika isika, ka hiverina any Ejipta.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nifampitaona izy ireo hoe: Andeha hifidy mpitarika isika ka hiverina ho any Ejipta! DIEM PROTESTANTA Dia nifampilaza izy ireo nanao hoe: –Aoka isika hanendry mpitarika, dia hiverina any Ejipta! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nifampilaza izy ireo nanao hoe: –Aoka isika hanendry mpitarika, dia hiverina any Ejipta! Baiboly Protestanta Malagasy Dia nifampitaona hoe izy: Andeha hifidy mpitarika isika ka hiverina any Egypta. Malagasy Bible Dia nifampitaona hoe izy: Andeha hifidy mpitarika isika ka hiverina any Egypta. La Bible en Malgache Dia nifampitaona izy ireo hoe: Andeha hifidy mpitarika isika ka hiverina ho any Ejipta! |
raha hoy ianareo: Tsia, fa any Ejipta no halehanay, izay tsy hahitanay ady, tsy handrenesanay feon’anjomara, tsy hahatsiarovanay noana, ka any no honenanay;
fa hatramin’ny iray volana maninjitra, dia mandra-pivoakany amin’ny vavoronareo, sy hampaharikoriko anareo; satria ianareo efa nitsipaka an’i Iaveh izay eo afovoanareo, sy nitomany teo anatrehany nanao hoe: Naninona re no nivoaka tany Ejipta foana izahay?»
Nidaboka niankohoka teo anatrehan’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra tafavory i Môizy sy i Aarôna.
Nefa tsy nety nanaiky azy ny razantsika, fa nanohitra azy, ary vao mainka manina an’i Ejipta aza
Aoka anefa izy tsy hanan-tsoavaly betsaka na hitondra ny vahoaka hiverina any Ejipta mba hahazoany soavaly betsaka, fa hoy i Iaveh taminareo: Aza miverina amin’izany lalana izany intsony amin’ny sisa.
Haverin’i Iaveh an-tsambo ho any Ejipta ianao, hihazo ny lalana voalazako taminao hoe: Tsy ho hitanao intsony izany, ary any ianareo hivaro-tena ho andevolahy sy andevovavy amin’ny fahavalonareo nefa tsy hisy mpividy.
Ary raha ny tany nialany no heveriny amin’izany dia ho azony atao ny miverina any indray;