Nony nandre izany teny mafy izany ny vahoaka dia nisaona tsy nisy nitafy ny fihaingoany intsony.
Nomery 14:39 - Baiboly Katolika Dia nolazain’i Môizy tamin’ny zanak’i Israely rehetra izany teny izany, ka safotr’alahelo mafy ny vahoaka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nolazain’i Mosesy tamin’ny Zanak’Israely rehetra izany teny izany ka nalahelo terỳ ny olona. DIEM PROTESTANTA Nolazain’i Mosesy tamin’ny Israelita rehetra izany teny izany, ka dia nalahelo mafy ny vahoaka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nolazain’i Mosesy tamin’ny Israelita rehetra izany teny izany, ka dia nalahelo mafy ny vahoaka. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nolazain’i Mosesy tamin’ny Zanak’Isiraely rehetra izany teny izany; ka dia nanjoretra terỳ ny olona. Malagasy Bible Dia nolazain'i Mosesy tamin'ny Zanak'Isiraely rehetra izany teny izany; ka dia nanjoretra terỳ ny olona. La Bible en Malgache Dia nolazain’i Mosesy tamin’ny Zanak’Israely rehetra izany teny izany ka nalahelo terỳ ny olona. |
Nony nandre izany teny mafy izany ny vahoaka dia nisaona tsy nisy nitafy ny fihaingoany intsony.
Nitady Anao izy, nony azom-pahoriana, ry Iaveh ô, noborahiny ny fitarainany, raha nokapohinao izy.
Lazao amin’izy ireo hoe: Velona Aho, hoy i Iaveh; hataoko aminareo izay noteneninareo tamin’ny sofiko.
I Jôsoe zanak’i Nona sy i Kaleba zanak’i Jefone no velona tamin’ireo lehilahy nisafo ny tany.
fa ny zanaky ny fanjakana kosa dia hariana any amin’ny maizina any ivelany; any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.»
Fa fantatrareo ny nanariana azy tatỳ aoriana, nony naniry hahazo ny tso-drano izy; fa tsy azony nahodina intsony izay natao, na dia nangataka tamin-dranomaso aza izy.
Ka tsy natahotra ny fahavalony ny zanak’i Israely fa niamboho teo anoloan’ny fahavalony izy, satria tonga anatema. Tsy homba anareo intsony Aho amin’ny sisa, raha tsy esorinareo hiala aminareo ny anatema.