Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 11:33 - Baiboly Katolika

Kanjo raha mbola teo am-bavany ny hena, fa mbola tsy lany akory, dia nirehitra tamin’ny vahoaka ny fahatezeran’i Iaveh, ka nasian’i Iaveh tamin’ny loza mafy indrindra ny vahoaka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa raha mbola teo am-bavany ny hena ka tsy mbola lany dia nirehitra tamin’ny olona ny fahatezeran’NY TOMPO ary namely ny olona tamin’ny kapoka mafy indrindra Izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa raha mbola tsy voatsako tao am-bavany akory ny hena, dia nirehi-pahatezerana tamin’ny vahoaka ny TOMPO, ka namely azy tamin’ny areti-mandringana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa raha mbola tsy voatsako tao am-bavany akory ny hena, dia nirehi-pahatezerana tamin’ny vahoaka ny TOMPO, ka namely azy tamin’ny areti-mandringana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa raha mbola teo am-bavany ny hena ka tsy mbola lany, dia nirehitra tamin’ny olona ny fahatezeran’i Jehovah, ary namely ny olona tamin’ny kapoka mafy indrindra Izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa raha mbola teo am-bavany ny hena ka tsy mbola lany, dia nirehitra tamin'ny olona ny fahatezeran'i Jehovah, ary namely ny olony tamin'ny kapoka mafy indrindra Izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa raha mbola teo am-bavany ny hena ka tsy mbola lany dia nirehitra tamin’ny olona ny fahatezeran’NY TOMPO ary namely ny olona tamin’ny kapoka mafy indrindra Izy.

Jereo ny toko



Nomery 11:33
10 Rohy Ifampitohizana  

nankamamìny ka tsy foiny, ary nakombony tao an-danilaniny.


Izao no hameno ny kibony: Halatsak’Andriamanitra aminy, ny afom-pahatezerany, ka hirotsaka aminy, hatrany an-kibony.


Nampifofofofo ny rivotra avy atsinanana teny an-danitra Izy, nitarika ny rivotra avy atsimo tamin’ny heriny Izy;


Dia nihinana izy ireo, ka nivoky loatra; nomen’Andriamanitra azy izay niriny.


Ary hoy i Môizy tamin’i Aarôna: «Alao ny fanembohana ary asio afo avy eo ambonin’ny ôtely, asio zava-manitra, ka mandehana faingana eo amin’ny fiangonana, dia manaova ny fanonerana ho azy ireo, fa efa nivoaka avy eo anatrehan’i Iaveh ny fahatezerana, ary efa manomboka ny loza.»


Nisy 24.000 no matin’ny loza.


I Iaveh hikapoka anao amin’ny didran’i Ejipta, fivontosam-body, anakandro, ary hatina tsy lai-panafody.