Dia ho fantatrareo fa eo afovoan’i Israely Aho! Izaho no Iaveh Andriamanitrareo, fa tsy misy hafa intsony; ary tsy ho menatra intsony ny vahoakako na oviana na oviana!
Nomery 11:29 - Baiboly Katolika Fa hoy ny navalin’i Môizy azy: «Noho ny amiko va no ialonanao? Enga anie ka ho mpaminany avokoa ny vahoakan’i Iaveh, ary hataon’i Iaveh ao aminy ny fanahiny.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hoy i Mosesy taminy: Izaho va no ialonanao? Enga anie ka ho mpaminany avokoa ny olon’NY TOMPO rehetra ka hapetraky NY TOMPO aminy ny Fanahiny! DIEM PROTESTANTA Fa hoy i Mosesy taminy: –Moa mialona azy noho ny amiko ve ianao? Enga anie homen’ny TOMPO ny Fanahiny avokoa ny vahoakany rehetra ka ho tonga mpaminany! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa hoy i Mosesy taminy: –Moa mialona azy noho ny amiko ve ianao? Enga anie homen’ny TOMPO ny Fanahiny avokoa ny vahoakany rehetra ka ho tonga mpaminany! Baiboly Protestanta Malagasy Fa hoy Mosesy taminy: Izaho va no ialonanao? enga anie ka ho mpaminany avokoa ny olon’i Jehovah rehetra, ka halatsak’i Jehovah aminy ny Fanahiny! Malagasy Bible Fa hoy Mosesy taminy: Izaho va no ialonanao? enga anie ka ho mpaminany avokoa ny olon'i Jehovah rehetra, ka halatsak'i Jehovah aminy ny Fanahiny! La Bible en Malgache Fa hoy i Mosesy taminy: Izaho va no ialonanao? Enga anie ka ho mpaminany avokoa ny olon’NY TOMPO rehetra ka hapetraky NY TOMPO aminy ny Fanahiny! |
Dia ho fantatrareo fa eo afovoan’i Israely Aho! Izaho no Iaveh Andriamanitrareo, fa tsy misy hafa intsony; ary tsy ho menatra intsony ny vahoakako na oviana na oviana!
Ary rehefa afaka izany, dia indro fa handatsaka ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra Aho, ka ny zanaka lahy aman-janaka vavinareo haminany; ny anti-panahinareo hahita nofy, ny zatovonareo hahazo fahitana.
Ary hoy Izy tamin’izy ireo: Be ny vokatra, fa ny mpijinja no vitsy; koa mangataha amin’ny tompom-bokatra mba hanirahany mpiasa hijinja ny vokany.
Na kely sisa na be, hoy i Paoly, dia mangataka amin’Andriamanitra aho, mba ho tonga toa ahy avokoa ianao sy izay rehetra mihaino ahy eto ankehitriny, afa-tsy amin’ireto fatorana ireto.
Ny fitiavana dia sady mahari-po no malemy fanahy; ny fitiavana dia tsy mialona, tsy manaonao foana, tsy mieboebo;
Koa tiako ny hitenenanareo rehetra amin’ny fiteny tsy fantatra, nefa aleoko aza ny haminanianareo; satria ny maminany no ambony noho ny miteny amin’ny teny tsy fantatra, afa-tsy raha adika ny teniny, mba hahazoan’ny Eglizy soa.
Fa fialonana amam-pifandirana no hita ao aminareo, ka moa tsy ara-batana sy araka ny fanaon’olombelona va izany?
tsy hanao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na filan-dera foana, fa samy hanetry tena sy hanao ny namany ho ambony noho ny tenany avy,
Ary moa ataonareo ho teny foana va ny lazain’ny Soratra Masina hoe: «Tia anareo sy saro-piaro anareo aza ny Fanahy Izay nampitoeriny ao anatinareo?»
Aza mifampimonomonona, ry kristianina havako, fandrao dia helohina ianareo. Indro, efa mby eo am-baravarana anie ny mpitsara!
Hilatsaka aminao ny Fanahin’i Iaveh dia hiara-maminany amin’ireo ianao, ka ho voaova ho olom-baovao.