Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Nomery 11:29 - DIEM PROTESTANTA

29 Fa hoy i Mosesy taminy: –Moa mialona azy noho ny amiko ve ianao? Enga anie homen’ny TOMPO ny Fanahiny avokoa ny vahoakany rehetra ka ho tonga mpaminany!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

29 Fa hoy i Mosesy taminy: Izaho va no ialonanao? Enga anie ka ho mpaminany avokoa ny olon’NY TOMPO rehetra ka hapetraky NY TOMPO aminy ny Fanahiny!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

29 Fa hoy i Mosesy taminy: –Moa mialona azy noho ny amiko ve ianao? Enga anie homen’ny TOMPO ny Fanahiny avokoa ny vahoakany rehetra ka ho tonga mpaminany!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

29 Fa hoy ny navalin’i Môizy azy: «Noho ny amiko va no ialonanao? Enga anie ka ho mpaminany avokoa ny vahoakan’i Iaveh, ary hataon’i Iaveh ao aminy ny fanahiny.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

29 Fa hoy Mosesy taminy: Izaho va no ialonanao? enga anie ka ho mpaminany avokoa ny olon’i Jehovah rehetra, ka halatsak’i Jehovah aminy ny Fanahiny!

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

29 Fa hoy Mosesy taminy: Izaho va no ialonanao? enga anie ka ho mpaminany avokoa ny olon'i Jehovah rehetra, ka halatsak'i Jehovah aminy ny Fanahiny!

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 11:29
17 Rohy Ifampitohizana  

Ary hiaiky ianareo fa eo afovoanareo Israelita Aho, ka ny TOMPO Andriamanitrareo dia Izaho fa tsy hafa. Ary ny vahoakako, na oviana na oviana, dia tsy ho menatra intsony.»


Dia hoy ny TOMPO hoe: «Rehefa afaka izany dia handatsaka ny Fanahiko amin’ny olombelona rehetra Aho, ka haminany ny zanakalahinareo mbamin’ny zanakavavinareo, hanonofy ny lahiantitrareo ary hisehoam-pahitana ny tanoranareo.


Dia niverina nankao an-toby indray i Mosesy sy ireto loholona.


Ary hoy Izy taminy: –Be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy. Angataho àry ny Tompom-bokatra haniraka mpiasa hamory ny vokany.


Dia novalian’i Paoly hoe: –Na ho haingana na mbola ho ela, dia mivavaka amin’Andriamanitra aho mba tsy ianao ihany fa izay rehetra mihaino ahy androany no ho tonga tahaka ahy afa-tsy amin’ny maha mpifatotra ahy.


Mahari-po ny fitiavana; be hamoram-po ny fitiavana; tsy mialona ny fitiavana, tsy mirehareha, tsy mieboebo,


Satriko ny samy hitenenanareo rehetra amin’ny fiteny tsy fantatra, nefa aleoko ny hilazanareo hafatra avy amin’Andriamanitra. Fa izay milaza hafatra avy amin’Andriamanitra dia ambony kokoa noho izay miteny amin’ny fiteny tsy fantatra, raha tsy hoe misy olona afaka manazava izay lazainy mba hampandroso ny mpiangona amin’ny finoana.


Noho izany, aoka tsy hisy hanao olona ho reharehany. Fa anareo ny zavatra rehetra,


noho ianareo mbola fehezin’ny maha olombelona. Matoa fialonana sy adiady no mahazo laka eo aminareo, tsy miharihary ve fa fehezin’ny maha olombelona ianareo ka mitondra tena araka ny filamatr’olombelona?


aza manao na inona na inona raha asesiky ny fifampiandaniana na ny filàn-dera foana, fa samia manetry tena manoloana ny namana ary aoka samy hanao ny namana ho ambony noho ny tena.


Aza heverinareo fa tsy misy antony ny tenin’ny Soratra Masina hoe: «Feno faniriana mirehidrehitra ny fanahy izay napetrak’Andriamanitra ao anatintsika.»


Aza mifampimonomonona ianareo, ry havana, mba tsy hanamelohan’Andriamanitra anareo. Indro ny mpitsara efa mijoro eo am-baravarana.


Koa esory ny haratsiam-panahy rehetra sy ny fitaka rehetra mbamin’ny fihatsarambelatsihy sy ny fialonana ary ny fanosoram-potaka isan-karazany.


Hilatsaka aminao ny Fanahin’ny TOMPO, ka haminany miaraka amin’izy ireo ianao ary ho tonga olom-baovao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra