dia hoy i Jakôba tamin’ny fianakaviany, sy tamin’izay rehetra nomba azy: «Ario ny andriamani-kafa eo aminareo; mandiova tena ianareo, ary soloy ny fitafianareo.
Nomery 11:18 - Baiboly Katolika Izao no lazao amin’ny vahoaka: Mankamasìna ny tenanareo ho amin’ny rahampitso, dia hahazo hena hohanina ianareo, fa nitomany ka ren’ny sofin’i Iaveh ianareo nanao hoe: Iza no mba hanome hena hohaninay? Fa finaritra izahay tany Ejipta! Koa homen’i Iaveh hena ianareo, dia hihinananareo izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary lazao amin’ny olona hoe: Hamasino ny tenanareo ho amin’ny ampitso dia hihinan-kena ianareo; fa nitomany teo an-tsofin’NY TOMPO ianareo hoe: Iza no hanome anay hena hohaninay? Nefa soa no hitanay tany Ejipta! Dia homen’NY TOMPO hena ianareo ka hihinana. DIEM PROTESTANTA Ny amin’ny vahoaka kosa dia izao no holazainao azy: «Diovy ny tenanareo ho amin’ny rahampitso, fa hahazo hena hohanina ianareo, satria ny TOMPO efa nandre ny fitarainanareo hoe: ‹Iza no hanome hena hohaninay? Fa sambatra izahay tany Ejipta›. Homen’ny TOMPO hena ianareo, ka hihinana tokoa ianareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny amin’ny vahoaka kosa dia izao no holazainao azy: «Diovy ny tenanareo ho amin’ny rahampitso, fa hahazo hena hohanina ianareo, satria ny TOMPO efa nandre ny fitarainanareo hoe: ‹Iza no hanome hena hohaninay? Fa sambatra izahay tany Ejipta›. Homen’ny TOMPO hena ianareo, ka hihinana tokoa ianareo. Baiboly Protestanta Malagasy Koa lazao amin’ny olona hoe: Manamasìna ny tenanareo ho amin’ny ampitso, dia hihinan-kena hianareo; fa nitomany teo anatrehan’i Jehovah hianareo ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hanome hena hohaninay! fa soa no hitanay tany Egypta; dia homen’i Jehovah hena hianareo, ka hohaninareo. Malagasy Bible Koa lazao amin'ny olona hoe: Manamasìna ny tenanareo ho amin'ny ampitso, dia hihinan-kena ianareo; fa nitomany teo anatrehan'i Jehovah ianareo ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hanome hena hohaninay! fa soa no hitanay tany Egypta; dia homen'i Jehovah hena ianareo, ka hohaninareo. La Bible en Malgache Ary lazao amin’ny olona hoe: Hamasino ny tenanareo ho amin’ny ampitso dia hihinan-kena ianareo; fa nitomany teo an-tsofin’NY TOMPO ianareo hoe: Iza no hanome anay hena hohaninay? Nefa soa no hitanay tany Ejipta! Dia homen’NY TOMPO hena ianareo ka hihinana. |
dia hoy i Jakôba tamin’ny fianakaviany, sy tamin’izay rehetra nomba azy: «Ario ny andriamani-kafa eo aminareo; mandiova tena ianareo, ary soloy ny fitafianareo.
Izao no hameno ny kibony: Halatsak’Andriamanitra aminy, ny afom-pahatezerany, ka hirotsaka aminy, hatrany an-kibony.
Indro efa nikapoka ny vatolampy Izy dia nandeha ny rano, ary nibosasaka ny ranon-driaka; ho azony atao koa va ny manome mofo na manome hena ho an’ny vahoakany?»
Hoy koa i Môizy: «Ho hitanareo izany amin’ny hanomezan’i Iaveh anareo hena hohanina anio hariva, ary mofo hahavoky raha maraina, satria ren’i Iaveh ny nimonomononanareo taminy. Fa ny aminay, izahay moa no inona? Tsy izahay no iharan’ny fimonomononanareo fa i Iaveh ihany.»
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mandehana mankany amin’ny vahoaka, ka hamasino izy anio sy ampitso, ary asaovy sasàny ny fitafiany.
Nony vita izany dia hoy izy tamin’ny vahoaka: «Aoka ho voaomana ao anatin’ny hateloana ianareo; aza mikasi-behivavy».
Nanomboka nimonomonona zavatra tsy mety tamin’ny sofin’i Iaveh ny vahoaka. Nandre an’izany i Iaveh ka nirehitra ny hatezerany ary nirehitra tamin’izy ireo ny afon’i Iaveh, ka may ny teny an-tsisin’ny toby.
Nefa tsy nety nanaiky azy ny razantsika, fa nanohitra azy, ary vao mainka manina an’i Ejipta aza
Koa mitsangàna ianao, hamasino ny vahoaka, ka lazao aminy hoe: Hamasino ny tenanareo ho amin’ny rahampitso, fa izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Misy anatema eo afovoanao, ry Israely; ka tsy hahatoha ny fahavalonao ianao, mandra-panaisotrareo ny anatema hiala eo afovoanareo.
Nankany Betela ny vahoaka, ka nitoetra tao izy eo anatrehan’i Iaveh mandra-paharivan’ny andro. Nanandratra ny feony nitomany mafy dia mafy izy,