Hoy aho amin’Andriamanitra: Aza manameloka ahy, ampahalalao ny antony ilànao akisa aho.
Nomery 11:11 - Baiboly Katolika Dia nalahelo i Môizy ka nilaza tamin’i Iaveh hoe: «Nahoana no dia nasianao izao ratsy izao ny mpanomponao, ary nahoana no dia tsy nahita fitia taminao aho, ka novesaranao ny fitondrana ity vahoaka ity? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ka hoy i Mosesy tamin’NY TOMPO: Nahoana no dia nasianao ratsy ny mpanomponao? Ary nahoana no tsy nahita fitia teo imasonao aho fa nampitondrainao enta-mavesatra, dia ity vahoaka ity? DIEM PROTESTANTA ka niteny tamin’ny TOMPO hoe: –Nahoana izaho mpanomponao no ampahorianao toy izao? ary nahoana no tsy anehoanao hatsarampo aho fa ampitondrainao enta-mavesatra amin’ny fitondrana ity firenena manontolo ity? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ka niteny tamin’ny TOMPO hoe: –Nahoana izaho mpanomponao no ampahorianao toy izao? ary nahoana no tsy anehoanao hatsarampo aho fa ampitondrainao enta-mavesatra amin’ny fitondrana ity firenena manontolo ity? Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy Mosesy tamin’i Jehovah: Nahoana no dia nasianao ratsy ny mpanomponao? ary nahoana no tsy nahita fitia eo imasonao aho ka nampitondrainao enta-mavesatra, dia ity firenena rehetra ity? Malagasy Bible Dia hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Nahoana no dia nasianao ratsy ny mpanomponao? ary nahoana no tsy nahita fitia eo imasonao aho, ka nampitondrainao enta-mavesatra, dia ity firenena rehetra ity? La Bible en Malgache ka hoy i Mosesy tamin’NY TOMPO: Nahoana no dia nasianao ratsy ny mpanomponao? Ary nahoana no tsy nahita fitia teo imasonao aho fa nampitondrainao enta-mavesatra, dia ity vahoaka ity? |
Hoy aho amin’Andriamanitra: Aza manameloka ahy, ampahalalao ny antony ilànao akisa aho.
Aza mifandahatra amin’ny mpanomponao amin’ny fitsarana, fa tsy misy olombelona ho marina eo anatrehanao.
Dia nitaraina tamin’i Iaveh i Môizy nanao hoe: «Inona no ataoko ho an’ity vahoaka ity, fa kely foana sisa tsy hitorahany vato ahy?»
Niverina nankany amin’i Iaveh i Môizy tamin’izay, ka nanao hoe: «Tompo ô! nahoana Ianao no dia nampidi-doza tamin’ity vahoaka? Nahoana aho no dia nirahinao?
Loza ho ahy, ry neny, ny niterahanao ahy, mba ho olona filàna ady amam-pifandirana amin’ny tany rehetra aho. Tsy mba nisambotra na inona na inona aho, tsy nampisambotra na inona na inona tamiko izy, nefa manozona ahy avokoa izy rehetra!»
Nahoana no dia tsy misy farany ny fijaliako, ary manaintaina ny feriko, sady tsy mety sitrana? Moa ho tahaka ny rano mamitaka ho ahy va Ianao, ho tahaka ny rano tsy azoko itokiana?
Zava-poana ny manompo an’Andriamanitra; inona no soa azontsika tamin’ny fitandremana ny didiny sy tamin’ny fandehanana niory teo anatrehan’i Iavehn’ny tafika?
Ren’i Môizy ny vahoaka samy nitomany, isam-pianakaviany avy, eo am-baravaran-dainy. Nirehitra mafy ny fahatezeran’i Iaveh.
Koa raha izao no ataonao amiko mihanta aminao aho, raha mahita fitia eo imasonao, vonoy aho mba tsy hahita ny fahoriako.»
Tsy hamisavisa zavatra maro aho, fa fanampin’izany, eo koa ny fiahiana isan’andro sy ny fikarakarana ny Eglizy rehetra.
Hataoko izaho irery ahoana no fitondra ny lolohanareo sy ny entanareo ary ny adinareo?