Andry rahona no nitarihanao azy raha antoandro, ary andry afo nony alina, mba hanazava eo anatrehany ny lalan-kalehany.
Nomery 10:34 - Baiboly Katolika Ary rehefa niala tamin’ny toby izy ireo, dia eo amboniny mandritra ny andro ny rahon’i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny rahon’NY TOMPO dia teo amboniny nony andro, tamin’ny niaingany niala tamin’ny nitobiany. DIEM PROTESTANTA Teo ambonin’ny Israelita mba hanaloka azy ny rahon’ny TOMPO nandritra ny andro, tamin’ny fotoana izay niaingany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Teo ambonin’ny Israelita mba hanaloka azy ny rahon’ny TOMPO nandritra ny andro, tamin’ny fotoana izay niaingany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny rahon’i Jehovah dia teo amboniny nony andro tamin’ny niaingany niala tamin’ny nitobiany. Malagasy Bible Ary ny rahon'i Jehovah dia teo amboniny nony andro tamin'ny niaingany niala tamin'ny nitobiany. La Bible en Malgache Ary ny rahon’NY TOMPO dia teo amboniny nony andro, tamin’ny niaingany niala tamin’ny nitobiany. |
Andry rahona no nitarihanao azy raha antoandro, ary andry afo nony alina, mba hanazava eo anatrehany ny lalan-kalehany.
noho ny haben’ny famindram-ponao, dia tsy nafoinao tany an’efitra izy, ka tsy niala teo akaikiny ny andry rahona fa nitari-dalana azy raha antoandro, na ny andry afo fa nanazava azy nony alina, amin’ny lalan-kalehany.
Fa ny rahon’i Iaveh dia nijanona teo ambonin’ny Fonenana, raha antoandro ny andro, ary amin’ny alina dia nisy afo, hitan’ny taranak’i Israely rehetra, teo amin’ny rahona, mandritra ny andro rehetra nandehanany.
Nony niainga ny fiara, dia hoy i Môizy: «Mitsangàna, ry Iaveh, ka aoka hihahaka ny fahavalonao, aoka handositra ny Tavanao izay mankahala Anao.»