Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 10:34 - DIEM PROTESTANTA

34 Teo ambonin’ny Israelita mba hanaloka azy ny rahon’ny TOMPO nandritra ny andro, tamin’ny fotoana izay niaingany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

34 Ary ny rahon’NY TOMPO dia teo amboniny nony andro, tamin’ny niaingany niala tamin’ny nitobiany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

34 Teo ambonin’ny Israelita mba hanaloka azy ny rahon’ny TOMPO nandritra ny andro, tamin’ny fotoana izay niaingany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

34 Ary rehefa niala tamin’ny toby izy ireo, dia eo amboniny mandritra ny andro ny rahon’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

34 Ary ny rahon’i Jehovah dia teo amboniny nony andro tamin’ny niaingany niala tamin’ny nitobiany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

34 Ary ny rahon'i Jehovah dia teo amboniny nony andro tamin'ny niaingany niala tamin'ny nitobiany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

34 Ary ny rahon’NY TOMPO dia teo amboniny nony andro, tamin’ny niaingany niala tamin’ny nitobiany.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 10:34
7 Rohy Ifampitohizana  

Andry rahona no nitarihanao azy raha antoandro, ary andry afo kosa nony alina, mba hanazava ny lalan-kalehany.


kanefa noho Ianao be famindrampo, dia tsy nafoinao tany an-taniefitra izy: Ny andry rahona, izay nitari-dalana azy raha antoandro, dia tsy niala teo akaikiny na ny andry afo nony alina mba hanazava ny lalan-kalehany,


Dia novelarin’Andriamanitra ny rahona hanalokaloka ny vahoakany, ary najorony koa ny afo hanazava azy nony alina.


Nandritra ny dia rehetra nataon’ny Israelita, dia nandrakotra ny fonena-masina ilay rahona nony antoandro ary nisy afo mazava teo aminy nony alina; izany no nanehoan’ny TOMPO fa teo anatrehan’ny Israelita rehetra hatrany Izy.


Rehefa niainga ny Vatamasina, dia hoy i Mosesy hoe: «Mitsangàna, TOMPO ô, aoka hihahaka ny fahavalonao, ary handositra anao ny mpankahala!»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra