Nomery 10:26 - Baiboly Katolika ny antokon’ny fokon’ny zanak’i Asera dia nofehezin’i Fegiela zanak’i Okrana; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny mpifehy ny antokon’ny taranak’i Asera dia i Pagiela, zanak’i Okrana. DIEM PROTESTANTA ny an’ny fokon’i Asera dia notarihin’i Pagihiela, zanakalahin’i Hôkràna; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ny an’ny fokon’i Asera dia notarihin’i Pagihiela, zanakalahin’i Hôkràna; Baiboly Protestanta Malagasy Ary Pagiela, zanak’i Okrana, no mpifehy ny antokon’ny firenena taranak’i Asera. Malagasy Bible Ary Pagiela, zanak'i Okrana, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Asera. La Bible en Malgache Ny mpifehy ny antokon’ny taranak’i Asera dia i Pagiela, zanak’i Okrana. |
Dia niainga ny fanevan’ny tobin’ny zanak’i Dana, araka ny antokony avy; izy no vodilalan’ny toby rehetra. Ny antokon’i Dana dia nofehezin’i Ahiezera zanak’i Amisadaia;