Tamin’ny andro voalohan’ny volana voalohany amin’ny taona faharoa, dia voatsangana ny Fonenana.
Nomery 10:11 - Baiboly Katolika Tamin’ny taona faharoa andro faha-20n’ny volana faharoa, dia nisondrotra niala teo ambonin’ny Fonenan’ny vavolombelona ny rahona. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’ny andro faharoapolo tamin’ny volana faharoa, tamin’ny taona faharoa, no niakaran’ny rahona niala teo ambonin’ny tabernakelin’ny Vavolombelona. DIEM PROTESTANTA Tamin’ny andro faha-roapolon’ny volana faharoa, tamin’ny taona faharoa nialana tany Ejipta, dia niakatra ny rahona niala teo ambonin’ny Tranolay nitahirizana ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’ny andro faha-roapolon’ny volana faharoa, tamin’ny taona faharoa nialana tany Ejipta, dia niakatra ny rahona niala teo ambonin’ny Tranolay nitahirizana ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana. Baiboly Protestanta Malagasy ARY tamin’ny andro faharoa-polo tamin’ny volana faharoa, tamin’ny taona faharoa, no niakaran’ny rahona niala teo ambonin’ny tabernakelin’ny Vavolombelona. Malagasy Bible Ary tamin'ny andro faharoa-polo tamin'ny volana faharoa, tamin'ny taona faharoa, no niakaran'ny rahona niala teo ambonin'ny tabernakelin'ny Vavolombelona. La Bible en Malgache Tamin’ny andro faharoapolo tamin’ny volana faharoa, tamin’ny taona faharoa, no niakaran’ny rahona niala teo ambonin’ny tabernakelin’ny Vavolombelona. |
Tamin’ny andro voalohan’ny volana voalohany amin’ny taona faharoa, dia voatsangana ny Fonenana.
«Amin’ny andro voalohan’ny volana voalohany no hanangananao ny Fonenana, ny trano lay fihaonana.
Any an’efitra Sinaia, tao an-trano lay fihaonana, tamin’ny andro voalohany amin’ny volana faharoa, taona faharoa taorian’ny nivoahana tany amin’ny tany Ejipta, dia niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe;
Tamin’ny volana voalohany amin’ny taona faharoa taorian’ny nivoahany tany amin’ny tany Ejipta, dia niteny tamin’i Môizy i Iaveh tany an’efitra Sinaia, ka nanao hoe:
amin’ny andro faha 14n’ny volana faharoa kosa, amin’ny àty takariva no hanaovany azy: mofo tsy misy lalivay sy anana mangidy no hiara-kohaniny aminy.
Ka tamin’ny andro faha 14n’ny volana voalohany, tamin’ny àty takariva dia nanao ny Paka tany an’efitra Sinaia izy ireo. Notanterahin’ny zanak’i Israely avokoa izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
«Niteny tamintsika i Iaveh Andriamanitsika tany Horeba nanao hoe: Ampy izay ny haelan’ny nitoeranareo tamin’ity tendrombohitra ity,