Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nehemia 9:31 - Baiboly Katolika

Noho ny haben’ny famindram-ponao anefa tsy naringanao izy, na nilaozanao, fa Andriamanitra miantra sy mamindra fo Ianao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nefa noho ny haben’ny fiantranao dia tsy navelanao ho lany ringana izy ary tsy nafoinao satria Andriamanitra mamindra fo sy miantra Ianao.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Be fiantra Ianao ka tsy nandringana ary tsy nahafoy azy, satria Andriamanitra mamindra fo sy miantra Ianao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Be fiantra Ianao ka tsy nandringana ary tsy nahafoy azy, satria Andriamanitra mamindra fo sy miantra Ianao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Nefa noho ny haben’ny fiantranao dia tsy navelanao ho lany ringana izy ary tsy nafoinao, satria Andriamanitra mamindra fo sy miantra Hianao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Nefa noho ny haben'ny fiantranao dia tsy navelanao ho lany ringana izy ary tsy nafoinao, satria Andriamanitra mamindra fo sy miantra Hianao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nefa noho ny haben’ny fiantranao dia tsy navelanao ho lany ringana izy ary tsy nafoinao satria Andriamanitra mamindra fo sy miantra Ianao.

Jereo ny toko



Nehemia 9:31
15 Rohy Ifampitohizana  

Namindra fo tamin’izy ireo anefa i Iaveh ka niantra azy; nitodika azy Izy noho ny fanekeny tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba; tsy te-handringana azy ireo Izy, na hanesotra azy tsy ho eo anatrehany mandrak’ankehitriny.


Fa raha miverina amin’i Iaveh ianareo, dia hahita famindram-po amin’ireo nitondra azy ho babo ny rahalahinareo aman-janakareo, ka tsy haviliny tsy hijery anareo ny Tavany, raha miverina aminy ianareo.»


Nandà tsy hihaino izy, ary tsy nahatsiaro ny fahagagana nataonao ho fanasoavana azy. Nanamafy ny hatony ary nentin’ny di-dohany dia nanendry mpitarika ho azy izy, mba hiverenany amin’ny fahandevozany. Saingy dia Andriamanitra vonon-kamela heloka Ianao, miantra sy mamindra fo, ary malain-kitezitra, sy tsara fo indrindra, ka tsy nafoinao izy.


noho ny haben’ny famindram-ponao, dia tsy nafoinao tany an’efitra izy, ka tsy niala teo akaikiny ny andry rahona fa nitari-dalana azy raha antoandro, na ny andry afo fa nanazava azy nony alina, amin’ny lalan-kalehany.


Noho ny Anarako, dia manindry ny hatezerako Aho, ary noho ny voninahitro, dia mandefitra aminao Aho, mba tsy hamongorana anao.


Fa izao no lazain’i Iaveh: Ho lao ny tany rehetra, kanefa tsy mba hofongorako avokoa izy.


Aniho ny mandany ka ravao, fa aza levonina avokoa; esory ny sakeliny, fa tsy an’i Iaveh ireny!


«Nefa na dia amin’izany andro izany aza, - teny marin’i Iaveh, - tsy dia hofongorako avokoa ianareo.


Famindram-pon’i Iaveh no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy lany ny famindram-pony.


satria Andriamanitra mamindra fo i Iaveh Andriamanitrao, ka tsy hahafoy anao na handringana anao; tsy hanadino ny fanekeny tamin’ny razanao, izay efa nianianany taminy.