Nandefa iraka aho hilaza aminy hoe: «Asa lehibe no ataoko ka tsy afa-midina aho. Ary nahoana ange ny asa no hiato, fa hilaozako hankany aminareo?»
Nehemia 6:4 - Baiboly Katolika Inefatra izy no nampitondra tamiko izany hevitra izany, nefa izany ihany no navaliko azy hatrany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Kanefa mbola nandefa iraka tamiko inefatra araka izany ihany izy; ary mbola namaly azy toy izany hatrany ihany koa aho. DIEM PROTESTANTA Mbola nandefa iraka tamiko inefatra miantoana araka izany ihany izy roa lahy; saingy izany ihany koa no navaliko azy hatrany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mbola nandefa iraka tamiko inefatra miantoana araka izany ihany izy roa lahy; saingy izany ihany koa no navaliko azy hatrany. Baiboly Protestanta Malagasy Kanefa mbola naniraka tamiko inefatra araka izany ihany izy; ary izaho kosa dia mbola namaly azy toy izany ihany koa. Malagasy Bible Kanefa mbola naniraka tamiko inefatra araka izany ihany izy; ary izaho kosa dia mbola namaly azy toy izany ihany koa. La Bible en Malgache Kanefa mbola nandefa iraka tamiko inefatra araka izany ihany izy; ary mbola namaly azy toy izany hatrany ihany koa aho. |
Nandefa iraka aho hilaza aminy hoe: «Asa lehibe no ataoko ka tsy afa-midina aho. Ary nahoana ange ny asa no hiato, fa hilaozako hankany aminareo?»
Fa nirahin’i Sanabalata fanindiminy, araka izany ihany indray, ny mpanompony, nitondra taratasy nivelatra teny an-tanany;
Ny kely saina mino izay teny rehetra ambara aminy; ny olo-malina kosa, mitandrina ny diany.
dia manahirana ahy ity mpitondratena ity, ka homeko rariny izy mba tsy hiverimberina mandrakariva hanorisory ahy.›
Koa amin’izany, ry havako malala, aoka ianareo hiorina mafy, tsy hiova, hahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, fa fantatrareo fa tsy foana ao amin’ny Tompo tsy akory ny fisasaranareo.
Tsy nety nanaraka ny hevitr’izy ireo mihitsy anefa izahay, na dia tapak’andro kely aza, mba hitoeran’ny fahamarinan’ny Evanjely eo aminareo.
Ary hoy i Dalilà tamin’i Samsôna: «Namazivazy ahy sy nandainga tamiko izany ianao; koa ankehitriny mihanta aminao re aho, mba lazao kely izay tokony hamatorana anao.»
Dia hoy i Dalilà tamin’i Samsôna: «Mihanta aminao aho, lazao kely izay itoeran’ny herinao lehibe, sy izay tokony hamatorana anao, mba hahafolaka anao».