Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nehemia 2:5 - Baiboly Katolika

Nivavaka tamin’ny Andriamanitry ny lanitra aho, dia namaly ny mpanjaka hoe: «Raha sitraky ny mpanjaka ka mba nahita fitia eo imasony koa ity mpanompony dia alefao aho ho any Jodà, any amin’ny tanàna misy ny fasan-drazako mba hanamboarako azy indray.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

izay vao niteny tamin’ny mpanjaka hoe: Raha sitraky ny mpanjaka ka mahita fitia eto imasonao ny mpanomponao dia alefaso ho any Joda aho, ho any amin’ny tanàna misy ny fasan-drazako mba hanamboarako izany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

vao niteny tamin’ny amperôra hoe: –Raha sitrakao izany, ry andriamanjaka, ary raha misy fankatelemanao ahy mpanomponao, dia mba alefaso ho any Joda aho, ho any amin’ilay tanàna misy ny fasan-drazako mba hanamboarako azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

vao niteny tamin’ny amperôra hoe: –Raha sitrakao izany, ry andriamanjaka, ary raha misy fankatelemanao ahy mpanomponao, dia mba alefaso ho any Joda aho, ho any amin’ilay tanàna misy ny fasan-drazako mba hanamboarako azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

dia vao niteny tamin’ny mpanjaka hoe: Raha sitraky ny mpanjaka, ka mahita fitia eto imasonao ny mpanomponao, dia alefaso ho any Joda aho, ho any amin’ny tanàna misy ny fasan-drazako mba hanamboarako izany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

dia vao niteny tamin'ny mpanjaka hoe: Raha sitraky ny mpanjaka, ka mahita fitia eto imasonao ny mpanomponao, dia alefaso ho any Joda aho, ho any amin'ny tanàna misy ny fasan-drazako mba hanamboarako izany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

izay vao niteny tamin’ny mpanjaka hoe: Raha sitraky ny mpanjaka ka mahita fitia eto imasonao ny mpanomponao dia alefaso ho any Joda aho, ho any amin’ny tanàna misy ny fasan-drazako mba hanamboarako izany.

Jereo ny toko



Nehemia 2:5
12 Rohy Ifampitohizana  

Lavo niankohoka tamin’ny tany i Jôaba, dia nisaotra ny mpanjaka, dia hoy i Jôaba: «Fantatry ny mpanomponao anio fa nahita fitia teo imasonao aho, ry mpanjaka tompoko, fa araka ny tenin’ny mpanompony no ataon’ny mpanjaka.»


Koa ankehitriny, raha sitraky ny mpanjaka, aoka hokarohina ao an-trano firaketan’ny mpanjaka any Babilôna raha misy didy navoakan’i Sirosa mpanjaka, momba ny fanaovana io tranon’Andriamanitra ao Jerosalema io. Ka rehefa izany, dia aoka hambaran’ny mpanjaka aminay, izay sitrapony ny amin’izany.


Dia hoy ny mpanjaka tamiko: «Inona no tianao hangatahina amiko?»


Nipetraka teo anilany koa ny mpanjakavavy tamin’izay, ary hoy ny mpanjaka tamiko: «Haharitra hoatrinona ny dianao, ary rahoviana no hiverina ianao?» Dia sitraky ny mpanjaka ny handefa ahy, ka nilaza fetr’andro taminy aho.


Dia hahita fitia sy hanana ny fahendrena marina ianao, eo imason’Andriamanitra sy ny olombelona.


Mila loza ianareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa tahaka ny fasana voalalotra fotsy ianareo eto ivelany ka miseho ho tsara, fa ao anatiny feno taolam-paty sy olitra.


Ary hoy izy: «Akory ity fitia hitako teo imasonao, tompoko! Fa nampionona ahy ianao, ary niteny tamin’ny fon’ny ankizy vavinao ianao, na dia tsy tahaka ny anankiray amin’ny ankizy vavinao akory aza aho».