Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nehemia 12:12 - Baiboly Katolika

Izao no mpisorona loham-pianakaviana, tamin’ny andron’i Jôakima: i Maraiasa avy amin’i Saraiasa: i Anania avy amin’i Jeremia,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tamin’ny andron’i Joiakima dia nisy mpisorona, lohan’ny fianakaviana, koa ireto avy izy ireo: Ny avy tamin’i Seraia dia i Meraia; ny avy tamin’i Jeremia dia i Hanania;

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tamin’ny andro naha mpisorombe an’i Jôiakima, dia ireto avy ny mpisorona loham-pianakaviana: i Meraià ho an’ny fianakavian’i Seraià; i Hananià ho an’ny fianakavian’i Jeremià;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tamin’ny andro naha mpisorombe an’i Jôiakima, dia ireto avy ny mpisorona loham-pianakaviana: i Meraià ho an’ny fianakavian’i Seraià; i Hananià ho an’ny fianakavian’i Jeremià;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary tamin’ny andron’i Joiakima dia nisy mpisorona, lohan’ny fianakaviana, dia izao: Ny avy tamin’i Seraia dia Meraia; ny avy tamin’i Jeremia dia Hanania;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary tamin'ny andron'i Joiakima dia nisy mpisorona, lohan'ny fianakaviana, dia izao: Ny avy tamin'i Seraia dia Meraia; ny avy tamin'i Jeremia dia Hanania;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tamin’ny andron’i Joiakima dia nisy mpisorona, lohan’ny fianakaviana, koa ireto avy izy ireo: Ny avy tamin’i Seraia dia i Meraia; ny avy tamin’i Jeremia dia i Hanania;

Jereo ny toko



Nehemia 12:12
7 Rohy Ifampitohizana  

Ka hoy izy tamin’ireo: «Ianareo, loha fianakavian’ny Levita, hamasino ny tenanareo, dia ianareo sy ny rahalahinareo, ka ampiakaro ny fiaran’i Iaveh Andriamanitr’i Israely ho eo amin’ny fitoerana nomaniko ho azy.


Nisy lohany maromaro kokoa noho ny taranak’i Itamara, ny taranak’i Eleazara, ka dia toy izao no nizarana azy: loham-pianakaviana 16 ny tamin’ny taranak’i Eleazara, ary loham-pianakaviana 8 ny tamin’ny taranak’i Itamara.


i Joiadà niteraka an’i Jonatàna, ary i Jonatàna niteraka an’i Jedoà.


i Mosolama avy amin’i Esdrasa, i Johanàna avy amin’i Amariasa,


Tamin’ny andron’i Eliasiba, i Jôiadà, i Johanàna, ary i Jedoà, dia voasoratra avokoa ny Levita loham-pianakaviana sy ny mpisorona, tamin’ny nanjakan’i Dariosa ilay Persa.