Koa ankehitriny, ry Andriamanitr’i Israely, dia aoka ho tanteraka anie ny teny nataonao tamin’i Davida raiko mpanomponao.
Mpitsara 9:46 - Baiboly Katolika Nony nandre izany ny olona rehetra tao amin’ny tilikambo tao Sikema, dia nankao amin’ny fitoerana mimanda amin’ny tranon’ny andriamanitra Berita. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nony nandre izany ireo lehibe rehetra tao Migdala-Sekema dia niditra tao amin’ny efitrano fierena tao ambanin’ny tempolin’i Ely-Berita. DIEM PROTESTANTA Ary rehefa ren’ny mponina rehetra tao Migdala-Sekema izany, dia niditra tao amin’ny efitrano fierena tao ambanin’ny tempolin’i Bahala-Berita izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary rehefa ren’ny mponina rehetra tao Migdala-Sekema izany, dia niditra tao amin’ny efitrano fierena tao ambanin’ny tempolin’i Bahala-Berita izy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nony nandre izany ny olona rehetra tao amin’ny tilikambo tao Sekema, dia niditra tao amin’ny efitrano fierena tao an-tranon’i Berita andriamaniny izy. Malagasy Bible Ary nony nandre izany ny olona rehetra tao amin'ny tilikambo tao Sekema, dia niditra tao amin'ny efi-trano fierena tao an-tranon'i Berita andriamaniny izy. La Bible en Malgache Nony nandre izany ireo lehibe rehetra tao Migdala-Sekema dia niditra tao amin’ny efitrano fierena tao ambanin’ny tempolin’i Ely-Berita. |
Koa ankehitriny, ry Andriamanitr’i Israely, dia aoka ho tanteraka anie ny teny nataonao tamin’i Davida raiko mpanomponao.
ka nitoetra tany Niniva. Fa raha ilay niankohoka tao an-tranon’i Nesrôka, andriamaniny iny izy, dia nokapain’i Adrameleka sy i Sarasara, zanany lahy, tamin’ny sabatra, ka nandositra tany amin’ny tanin’ny Ararata izy ireo, dia i Asaradôna, zanany lahy, no nanjaka nandimby azy.
Nony maty i Jedeôna dia nitolo-tena tamin’ireo Baala indray ny zanak’i Israely; ka i Baala-Berita no nataony andriamaniny.
ka nivoaka nankany an-tsaha izy ireo: nioty ny voalobony, namoritra azy, nanao fety, ary niditra tany an-tranon’ny andriamaniny, nihinana sy nisotro, ary nanozona an’i Abimeleka.
Nomen’izy ireo vola fitopolo sikla izy, izay nalainy tao an-tranon’i Baala-Berita, ka nentin’i Abimeleka nanisihany izao olom-poana sy mpijirika rehetra izao, izay niraikitra taminy.
Fa i Abimeleka kosa, nony nampandrenesina fa hoe, ny mponina rehetra tamin’ny tilikambon’i Sikema, dia tafavory tao avokoa,