Baiboly an-tserasera

dokam-barotra

Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao

Mpitsara 9:43 - Baiboly Katolika

dia naka ny miaramilany, sy nizara azy ho antokony telo, ary nanao otrika tany an-tsaha. Vao nahita ny vahoaka nivoaka ny tanàna izy, dia nitsangana hamely azy, ka nandresy azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia naka ny olony izy ka nizara azy ho telo toko ary nanao vela-pandrika tany an-tsaha. Rehefa hitany fa indreo, nivoaka avy tao an-tanàna ny olona, dia nitsangana hiady aminy izy ka namely azy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia nalain’i Abimelèka ny tafiny ka nozarainy ho antokony telo, dia niafina tany an-tsaha izy. Ary rehefa hitany fa indreny ny olona nivoaka avy tao Sekema, dia nipoitra hamely azy izy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nalain’i Abimelèka ny tafiny ka nozarainy ho antokony telo, dia niafina tany an-tsaha izy. Ary rehefa hitany fa indreny ny olona nivoaka avy tao Sekema, dia nipoitra hamely azy izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia naka ny vahoaka izy ka nizara azy ho telo toko ary nanotrika tany an-tsaha; dia nijery izy, ka, indreo, ny olona nivoaka avy tao an-tanàna; dia nitsangana hiady aminy izy ka namely azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

La Bible en Malgache

Dia naka ny olony izy ka nizara azy ho telo toko ary nanao vela-pandrika tany an-tsaha. Rehefa hitany fa indreo, nivoaka avy tao an-tanàna ny olona, dia nitsangana hiady aminy izy ka namely azy.

Jereo ny toko

Mpitsara 9:43
4 Rohy Ifampitohizana  

Dia nalamin’i Davida ny vahoaka, ka ny ampahatelony, nataony fehin’i Jôaba, ny ampahatelony fehin’i Abiasia, zanak’i Sarvià, rahalahin’i Jôaba, ny ampahatelony fehin’i Etaia, Geteanina. Ary hoy ny mpanjaka tamin’ny vahoaka: «Izaho koa mba handeha hiaraka aminareo.»

Nony ampitso, nivoaka nankany an-tsaha ny vahoaka. Nandre izany i Abimeleka,

I Abimeleka sy ny antokony izay niaraka taminy niroso teo aloha ka naka toerana teo alohan’ny vavahadin’ny tanàna; ary ny anankiroa amin’ireo antokony ireo kosa niroatra hamely ny tany an-tsaha rehetra, ka nandresy azy.

Nony ampitso, nozarain’i Saola ho telo toko ny vahoaka dia nankany an-tobin’ny Amônita, tamin’ny fiambenana maraina izy ireo, ka namely azy ireo mandra-pahafanàn’ny andro. Nielipatrana izay afa-nitsoaka ka tsy nisy tafaraka na roa monja aza.