Tamy ny anjaranao, ry mponina amin’ny tany; tonga ny fotoana, akaiky ny andro! Fitabatabana!... fa tsy hobim-pifaliana eny an-tendrombohitra.
Mpitsara 9:36 - Baiboly Katolika Nony hitan’i Gaala irerỳ vahoaka, dia hoy izy tamin’i Zebola: «Indreny misy olona midina avy any an-tampon’ny tendrombohitra». Fa hoy kosa i Zebola taminy: «Ny aloky ny tendrombohitra no ataonao ho olona izany». Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa hitan’i Gala ny olona dia hoy izy tamin’i Zebola: Indreo, misy olona midina avy eny an-tampon’ny tendrombohitra. Hoy i Zebola taminy: Ny aloky ny tendrombohitra no hitanao ka heverinao ho olona. DIEM PROTESTANTA Nahita ireo i Gahala ka nanao tamin’i Zebola hoe: –Jereonao fa misy tafika midina avy ao an-tampon-kavoana. Dia novalian’i Zebola hoe: –Tsia fa aloky ny havoana no heverinao ho olona! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nahita ireo i Gahala ka nanao tamin’i Zebola hoe: –Jereonao fa misy tafika midina avy ao an-tampon-kavoana. Dia novalian’i Zebola hoe: –Tsia fa aloky ny havoana no heverinao ho olona! Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa hitan’i Gala ny olona, dia hoy izy tamin’i Zebola: Indreo, misy olona midina avy eny an-tampon’ny tendrombohitra. Fa hoy Zebola taminy: Ny aloky ny tendrombohitra no hitanao ka toa olona. Malagasy Bible Ary rehefa hitan'i Gala ny olona, dia hoy izy tamin'i Zebola: Indreo, misy olona midina avy eny an-tampon'ny tendrombohitra. Fa hoy Zebola taminy: Ny aloky ny tendrombohitra no hitanao ka toa olona. La Bible en Malgache Rehefa hitan’i Gala ny olona dia hoy izy tamin’i Zebola: Indreo, misy olona midina avy eny an-tampon’ny tendrombohitra. Hoy i Zebola taminy: Ny aloky ny tendrombohitra no hitanao ka heverinao ho olona. |
Tamy ny anjaranao, ry mponina amin’ny tany; tonga ny fotoana, akaiky ny andro! Fitabatabana!... fa tsy hobim-pifaliana eny an-tendrombohitra.
Dia niandrandra ilay jamba ka nanao hoe: «Ny fahitako ny olona mamindra dia sahalahala amin’ny hazo.»
Ary nivoaka i Gaala, zanak’i Obeda, ka nipetraka teo am-bavahadin’ny tanàna. Tamin’izay dia niainga avy ao am-panotrehana i Abimeleka sy ny vahoaka momba azy.
Niteny indray i Gaala nanao hoe: «Andian’olona no hitako midina avy eo am-pamatonan-tany, ary antokon’olona no tamy mihazo ny lalana eo amin’ny aokan’ny mpanandro».