Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 9:27 - Baiboly Katolika

ka nivoaka nankany an-tsaha izy ireo: nioty ny voalobony, namoritra azy, nanao fety, ary niditra tany an-tranon’ny andriamaniny, nihinana sy nisotro, ary nanozona an’i Abimeleka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nivoaka ho any an-tsaha izy ireo ka nioty ny voalobony dia nanosihosy azy sady nikorana; avy eo ireo dia niditra tao amin’ny tempolin’ny andriamaniny ary nihinana sy nisotro sady nanozona an’i Abimeleka.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nandeha nioty voaloboka tany an-tsaha ny Sekemita, ary nanosihosy voaloboka, dia nanomana fety. Nankany amin’ny tempolin’ny andriamaniny izy ary nisotro sy nihinana sady nanozona an’i Abimelèka.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nandeha nioty voaloboka tany an-tsaha ny Sekemita, ary nanosihosy voaloboka, dia nanomana fety. Nankany amin’ny tempolin’ny andriamaniny izy ary nisotro sy nihinana sady nanozona an’i Abimelèka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nivoaka ho any an-tsaha izy ka nioty ny voalobony ary nanosihosy azy, dia nanao fanati-piderana ka niditra tao an-tranon’ny andriamaniny izy, dia nihinana sy nisotro ary nanozona an’i Abimeleka.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nivoaka ho any an-tsaha izy ka nioty ny voalobony ary nanosihosy azy, dia nanao fanati-piderana ka niditra tao an-tranon'ny andriamaniny izy, dia nihinana sy nisotro ary nanozona an'i Abimeleka.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nivoaka ho any an-tsaha izy ireo ka nioty ny voalobony dia nanosihosy azy sady nikorana; avy eo ireo dia niditra tao amin’ny tempolin’ny andriamaniny ary nihinana sy nisotro sady nanozona an’i Abimeleka.

Jereo ny toko



Mpitsara 9:27
20 Rohy Ifampitohizana  

Tia ozona izy, ka ianjerany, naneso tso-drano izy, ka halaviriny.


Nony mby teo akaikin’ny toby izy, dia nahita ny zanak’omby sy ny dihy, ka nirehitra ny fahatezeran’i Môizy, nazerany ny takelaka teny an-tanany, sady novakivakiny teo ambodin’ny tendrombohitra.


Nifoha vao maraina koa izy ireo nony ampitso, ka nanolotra sorona dorana sy nanatitra sorona fisaorana. Dia nipetraka hihinana sy hisotro ny vahoaka, ary nitsangana hilalao.


Ary ianao haminany izany zavatra rehetra izany amin’izy ireo, ka hilaza aminy hoe: «Mitrena any ambony i Iaveh nampikotrokotroka ny feony izy any amin’ny fonenany masina, mitrena mafy mamely ny taniny; akoran’ny mpioty voaloboka no alefany, manohitra ny mponina rehetra amin’ny tany.


Tsy mitaraina amiko ao am-pony izy, raha ilay midradradradra foana eo am-pandriany iny. Misahirana fatratra izy ny amin’ny vary aman-divay vaovao, nefa Izaho iambohoany.


Ny zanaka lahin’ny vehivavy Israelita nanevateva ny Anarana masina sady nanozona; ary ny anaran-dreniny dia Salômita, zanak’i Dabrỳ, avy amin’ny fokon’i Dana;


Nivory ireo filohan’ny Filistinina hanolotra sorona lehibe amin’i Dagôna andriamaniny sy hirobiroby, fa hoy izy: «Efa natolotry ny andriamanitsika eo an-tanantsika i Samsôna fahavalontsika.»


Nony maty i Jedeôna dia nitolo-tena tamin’ireo Baala indray ny zanak’i Israely; ka i Baala-Berita no nataony andriamaniny.


Ary tonga niaraka tamin’ny rahalahiny i Gaala, zanak’i Obeda, ka nankany Sikema izy. Natoky azy ny mponina tao Sikema,


Nomen’izy ireo vola fitopolo sikla izy, izay nalainy tao an-tranon’i Baala-Berita, ka nentin’i Abimeleka nanisihany izao olom-poana sy mpijirika rehetra izao, izay niraikitra taminy.


Nony nandre izany ny olona rehetra tao amin’ny tilikambo tao Sikema, dia nankao amin’ny fitoerana mimanda amin’ny tranon’ny andriamanitra Berita.


Hoy ilay Filistinina tamin’i Davida: «Fa izaho angaha alika, no tehina no hankanesan’ialahy atỳ amiko?» Dia nanozona an’i Davida amin’ireo andriamaniny ilay Filistinina.