Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 25:30 - Baiboly Katolika

30 Ary ianao haminany izany zavatra rehetra izany amin’izy ireo, ka hilaza aminy hoe: «Mitrena any ambony i Iaveh nampikotrokotroka ny feony izy any amin’ny fonenany masina, mitrena mafy mamely ny taniny; akoran’ny mpioty voaloboka no alefany, manohitra ny mponina rehetra amin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

30 Koa maminania aminy ianao araka izao teny rehetra izao ka teneno hoe: NY TOMPO hierona any ambony ary hanandratra ny feony any amin’ny fitoerany masina, eny, hierona mafy amin’ny sahany Izy ka hanakora toy ny mpanosihosy voaloboka, hamelezana ny mponina rehetra amin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

30 Ary hoy koa ny Tompo tamiko: «Ijoroy ny maha-mpaminany anao ny amin’ireo mpanjaka rehetra ireo araka ny teny voalazako teo ka ampio hoe: Avy any ambony any ny TOMPO no manerona, avy ao amin’ny fonenany masina Izy no manandra-peo. Eny, manerona mafy amin’ny toeram-pitsaharany Izy ka mihorakoraka toy ny mpanosihosy voaloboka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

30 Ary hoy koa ny Tompo tamiko: «Ijoroy ny maha-mpaminany anao ny amin’ireo mpanjaka rehetra ireo araka ny teny voalazako teo ka ampio hoe: Avy any ambony any ny TOMPO no manerona, avy ao amin’ny fonenany masina Izy no manandra-peo. Eny, manerona mafy amin’ny toeram-pitsaharany Izy ka mihorakoraka toy ny mpanosihosy voaloboka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

30 Koa maninania aminy hianao araka izao teny rehetra izao, ka ataovy hoe: Jehovah hierona any ambony Ary hanandratra ny feony any amin’ny fitoerany masina, Eny, hierona mafy amin’ny sahany fiandrasan-ondry Izy Ka hanakora toy ny mpanosihosy voaloboka, Hamelezana ny mponina rehetra amin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

30 Koa maminania aminy ianao araka izao teny rehetra izao, ka ataovy hoe: Jehovah hierona any ambony ary hanandratra ny feony any amin'ny fitoerany masina, eny, hierona mafy amin'ny sahany fiandrasan-ondry Izy ka hanakora toy ny mpanosihosy voaloboka, hamelezana ny mponina rehetra amin'ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 25:30
25 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Sadôka: «Ento miverina ao an-tanàna ihany ny Fiaran’Andriamanitra. Raha mahita fitia eo imason’i Iaveh aho dia mbola hoentiny miverina sy hataony mahita ny Fiara sy ny Fonenany ihany.


Ary izao no nolazain’i Iaveh taminy: «Nohenoiko ny vavaka amam-pifonanao, nataonao tamiko, ka efa nohamasiniko ity trano nataonao ity, mba hametrahako ny Anarako ao mandrakizay, ka dia ho eto mandrakariva ny masoko sy ny foko.


Nitsangana ireo mpisorona levitika, dia nitso-drano ny vahoaka, ary voahaino ny feon’izy ireo, ka tafapaka hatrany amin’ny fonenana masin’i Iaveh hatrany an-danitra, ny vavaka nataony.


I Iaveh izay ao amin’ny tempoly masina, I Iaveh izay manana ny fiandrianany any an-danitra, dia mana-maso mahiratra; ary ny hodi-masony mizaha ny zanak’olombelona hatrao anatiny.


Ity no toerana fitsaharako mandrakizay; eto no honenako fa efa niriko.


Andriamanitra no ao afovoany, ka tsy azo hozongozonina Izy; vao mazava atsinanana ny andro dia tonga hamonjy azy Andriamanitra.


Manahaka ny poizin’ny menarana ny poizina aminy, dia ny an’ny menarana marenina, izay manentsin-tadìny,


Nifoha, tahaka ny olona natory, ny Tompo, sahala amin’ny mpiady mahery leon-divay.


Koa mitomany toy ny itomanian’i Jasera aho, momba ny voalobok’i Sabamà; mandrotsaka ranomaso aminareo aho ry Hesebona, ry Eleale, fa ny vokatrareo amam-pararanonareo, no nahatongavan’ny fanakoran’ny mpamia.


Mandositra ny vahoaka mandre ny feon’ny kotro-baratrao miparitaka ny firenena nony mitsangana Ianao.


Fa mivoaka i Iaveh toy ny lehilahy mahery; mamoha ny firehetam-pony, toy ny mpiady, mandefa akoran’ady, akora mikotrokotroka; manampatra ny heriny, handresy ny fahavalony.


Seza fiandrianana be voninahitra, fiamboniana mandrakizay, fitoeran’ny tranonay masina,


Mandao ny fiereny toy ny liona mandao ny lobolobony izy; ny tanin’izy ireo efa hovana ho efitra, eo anoloan’ny hatezeran’ny mpandrava, eo anoloan’ny firehetan’ny hatezeran’i Iaveh.»


Foana ny fifaliana amam-piravoravoana, eo amin’ny saha voavoly hazo mamoa sy ny tanin’i Moaba; nataoko tankina ny divay eo amin’ny barìka fandomam-boaloboka; tsy hosihosena intsony amam-pihobiana maresaka izy; ny hoby efa tsy hoby intsony.


Hanaraka an’i Iaveh izy ireo; hierona toy ny liona Izy, ka rehefa mierona Izy dia hidodododo avy any Andrefana amin-kovitra ireo zanany.


Fa ho tahaka ny liona Aho, amin’i Efraima, ary ho tahaka ny liona tanora amin’ny taranak’i Jodà. Izaho dia Izaho no hamiravira, dia lasa mandeha; hitondra ny rembiko, ka tsy hisy haharombaka izany amiko.


Hierona avy ao Siôna i Iaveh; ary hampandre ny feony avy ao Jerosalema Izy; ny tany fiandrasan’ny mpiandry ondry, hisaona; ary ny tampon’i Karmela, ho maina.


Efa nierona ny liona, ka zòvy no tsy hatahotra? Efa niteny ny Tompo Iaveh, ka iza no tsy haminany?


Fa indro Aho manetsika ny tanako eo ambonin’ireny, ka izy ireo ho tonga remby ho an’ireo manompo azy; ary ianareo, hahalala fa i Iavehn’ny tafika no naniraka ahy.


Tsinjovy eny amin’ny fonenanao masina any an-danitra ka tahio i Israely vahoakanao, mbamin’ny tany tondra-dronono sy tantely nomenao anay, araka ny efa nianiananao tamin’ny razanay.»


nisy sabatra marani-dany roa nivoaka avy ao am-bavany, mba hamelezany ny firenena, ary hifehy azy amin’ny tsora-by izy, sady ny tenany ihany no hanitsaka ny famiazana ny divain’ny fahatezeran’Andriamanitra tsitoha;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra