Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 9:23 - Baiboly Katolika

dia nanirahan’Andriamanitra fanahy ratsy i Abimeleka sy ny mponina tao Sikema, ka nivadika tamin’i Abimeleka ny mponina tao Sikema,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary Andriamanitra naniraka fanahy ratsy nampisara-tsaina an’i Abimeleka sy ireo lehibe tao Sekema ka nivadika tamin’i Abimeleka ireo lehibe tao Sekema,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Taorian’izany, dia nisy fanahy mampikorontana nalefan’Andriamanitra tamin’ny mpanjaka sy tamin’ny mponin’i Sekema ka nikomy tamin’i Abimelèka ireo Sekemita.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Taorian’izany, dia nisy fanahy mampikorontana nalefan’Andriamanitra tamin’ny mpanjaka sy tamin’ny mponin’i Sekema ka nikomy tamin’i Abimelèka ireo Sekemita.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Andriamanitra dia naniraka fanahy ratsy tamin’i Abimeleka sy ny mponina tao Sekema; ary ny mponina tao Sekema dia nivadika nahafoy an’i Abimeleka,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Andriamanitra dia naniraka fanahy ratsy tamin'i Abimeleka sy ny mponina tao Sekema; ary ny mponina tao Sekema dia nivadika nahafoy an'i Abimeleka,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary Andriamanitra naniraka fanahy ratsy nampisara-tsaina an’i Abimeleka sy ireo lehibe tao Sekema ka nivadika tamin’i Abimeleka ireo lehibe tao Sekema,

Jereo ny toko



Mpitsara 9:23
15 Rohy Ifampitohizana  

Koa dia tsy nihaino ny vahoaka àry ny mpanjaka; ary izany no fomba nalahatr’i Iaveh, hahatanterahan’ilay nolazain’i Iaveh tamin’i Jerôbôama, zanak’i Nabata, tamin’ny alalan’i Ahiasa avy ao Silao.


Dia tsy nihaino ny vahoaka ny mpanjaka, satria izany no hevitra nataon’Andriamanitra hahatanteraka ilay teny nolazain’i Iaveh tamin’ny alalan’i Ahiasa avy any Silô tamin’i Jerôbôama zanak’i Nabata.


Norotsahan’i Iaveh fanahy mampandraingiraingy izy, ka ataony mandraingiraingy i Ejipta amin’ny ataony rehetra, mova tsy ny olona mamo mandraingiraingy eo am-pandoavany!


Hamporisika an’i Ejipta hamely an’i Ejipta Aho, ka hiady izy ireo, ny rahalahy amin’ny rahalahy, ary ny sakaiza amin’ny sakaiza, ny tanàna amin’ny tanàna, ary ny fanjakana amin’ny fanjakana.


«Loza ho anao, ry mpandrava, mbola tsy noravana, ry mpandroba, tsy mbola norobaina! Rehefa nitsahatra ny nandrava ianao, dia horavana; rehefa tapi-nandroba ianao, dia horobaina.»


fa araka ny fitsarana hataonareo no hitsarana anareo, ary araka ny famarana hamaranareo no hamarana ho anareo koa.


Raha misy fanjakana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fanjakana izany;


Fa raha tsy izany, dia aoka i Abimeleka hivoaka afo ka handevona ny mponina ao Sikema mbamin’ny ankohonan’i Melao ary ny mponina ao Sikema mbamin’ny ankohonan’i Melao koa hivoaka afo ka handevona an’i Abimeleka.


Telo taona no nanapahan’i Abimeleka an’i Israely,