Fa hoy ny aviavy taminy: Ho foiko va ny hamamiako sy ny voako kanto, ka handeha hihevingevina erỳ ambony hazo hafa?
Mpitsara 9:10 - Baiboly Katolika Dia ny aviavy indray no nataon’ny hazo hoe: Avia, ianao hanjaka aminay. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy ny hazo maniry tamin’ny aviavy: Avia ianao ka manjakà aminay! DIEM PROTESTANTA Ary hoy koa ireo hazo tamin’ny aviavy: ‹Andao ianao hanjaka aminay.› Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hoy koa ireo hazo tamin’ny aviavy: ‹Andao ianao hanjaka aminay.› Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy ny hazo tamin’ny aviavy : Avia hianao, ka manjakà aminay. Malagasy Bible Ary hoy ny hazo tamin'ny aviavy: Avia ianao ka manjakà aminay. La Bible en Malgache Dia hoy ny hazo maniry tamin’ny aviavy: Avia ianao ka manjakà aminay! |
Fa hoy ny aviavy taminy: Ho foiko va ny hamamiako sy ny voako kanto, ka handeha hihevingevina erỳ ambony hazo hafa?
Fa hoy ny ôliva taminy: Ho foiko va ny diloilo, izay mahalaza ahy eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olombelona, ka handeha hihevingevina erỳ ambonin’ny hazo hafa?
Noho izany, izao no tenin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Fa efa voalazako fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; nefa ankehitriny, aza ho toy izany intsony, hoy i Iaveh. Fa izay manaja Ahy no hohajaiko, ary izay maniratsira Ahy no hotsiratsiraiko koa.