Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 8:20 - Baiboly Katolika

Ary hoy izy tamin’i Jetera zanany lahimatoa: «Mitsangàna, ka vonoy ireo.» Fa tsy nanatsoaka ny sabany ity zatovo fa natahotra izy satria mbola tanora.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hoy izy tamin’i Jetera lahimatoany: Mitsangàna, vonoy izy roa lahy! Fa tsy nanatsoaka ny sabany ilay zatovo fa natahotra: Mbola tanora fanahy loatra izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary nandidy an’i Jetera zanany lahimatoa i Gidehôna hoe: –Mitsangàna, vonoy ho faty ireo! Fa tsy sahy nanatsoaka ny sabany ilay zatovolahy, satria mbola tanora loatra izy ka natahotra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary nandidy an’i Jetera zanany lahimatoa i Gidehôna hoe: –Mitsangàna, vonoy ho faty ireo! Fa tsy sahy nanatsoaka ny sabany ilay zatovolahy, satria mbola tanora loatra izy ka natahotra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy izy tamin’i Jatera lahimatoany: Mitsangàna, ka vonoy izy roa lahy. Fa ilay zatovo tsy nanatsoaka ny sabany, fa natahotra, satria mbola tanora fanahy izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy izy tamin'i Jatera lahimatoany: Mitsangàna, ka vonoy izy roa lahy. Fa ilay zatovo tsy nanatsoaka ny sabany, fa natahotra, satria mbola tanora fanahy izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hoy izy tamin’i Jetera lahimatoany: Mitsangàna, vonoy izy roa lahy! Fa tsy nanatsoaka ny sabany ilay zatovo fa natahotra: Mbola tanora fanahy loatra izy.

Jereo ny toko



Mpitsara 8:20
5 Rohy Ifampitohizana  

mba hampihatra amin’izy ireo ny teny fitsarana voasoratra: Voninahitra voatokana ho an’ny mpino azy rehetra izany. Aleloia!


Nony efa navoakany ho eo anatrehan’i Jôsoe, ireo mpanjaka ireo, dia nantsoin’i Jôsoe ny lehilahy rehetra amin’i Israely ka hoy izy tamin’ireo filohan’ny lehilahy mpiantafika, izay niaraka taminy: «Manatòna ianareo, ka ataovy eo amin’ny vozon’ireto mpanjaka ireto ny tongotrareo.» Dia nanatona ireo ka nanitsaka ny vozon’ireo mpanjaka tamin’ny tongony.


Ka hoy izy: «Ny rahalahiko, zanak’i neny indrindra izany. Velona i Iaveh! Tsy matiko ianareo, raha namelona an’ireo.»


Dia hoy i Zebea sy i Salmanà: «Ny tenanao no mitsangàna dia miantoraha aminay, fa araka ny toetry ny olona ihany no heriny». Nitsangana i Jedeôna ka namono an’i Zebea sy i Salmanà, ary naka ny sarim-bolan-tsinana teny amin’ny vozon-dramevan’ireo.


Hoy i Samoela: «Toy ny nampamoizan’ny sabatrao zanaka ny vehivavy no hamoizan’ny reninao zanaka kosa eo amin’ny vehivavy». Dia notetitetehin’i Samoela teo anatrehan’i Iaveh tany Galgalà i Agaga.