I Jakôba kosa nankao Sokôta, dia nanao trano ho azy sy nanao trano tomboka ho an’ny biby fiompiny koa. Izany no nanaovana ny anaran’io tany io hoe Sokôta.
Mpitsara 8:14 - Baiboly Katolika Nisambotra zazalahy anankiray amin’ny mponina ao Sokôta izy, nanontaniany, ka nosoratan’io ny anaran’ny lehibe sy ny loholona fitopolo lahy, ao Sokôta. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nisambotra zatovo iray tamin’ny mponina tao Sokota izy ka nanadihady azy; dia nosoratan’ilay zatovo ny anaran’ireo olo-manankajan’i Sokota sy ny loholona tao izay nisy fito amby fitopolo lahy. DIEM PROTESTANTA dia nisambotra tovolahy iray avy ao Sokôta ary nanontany azy. Dia nomen’ilehio azy an-tsoratra ny anaran’ireo lehibe sy loholona tao Sokôta ka nisy 77 no isany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara dia nisambotra tovolahy iray avy ao Sokôta ary nanontany azy. Dia nomen’ilehio azy an-tsoratra ny anaran’ireo lehibe sy loholona tao Sokôta ka nisy 77 no isany. Baiboly Protestanta Malagasy ary nisambotra zatovo tamin’ny mponina tao Sokota izy ka nanontany azy; dia nosoratan’ilay zatovo ny anaran’ireo andrianan’ Sokota sy ny loholona tao, ka fito amby fito-polo lahy izy. Malagasy Bible ary nisambotra zatovo tamin'ny mponina tao Sokota izy ka nanontany azy; dia nosoratan'ilay zatovo ny anaran'ireo andrianan'i Sokota sy ny loholona tao, ka fito amby fito-polo lahy izy. La Bible en Malgache Nisambotra zatovo iray tamin’ny mponina tao Sokota izy ka nanadihady azy; dia nosoratan’ilay zatovo ny anaran’ireo olo-manankajan’i Sokota sy ny loholona tao izay nisy fito amby fitopolo lahy. |
I Jakôba kosa nankao Sokôta, dia nanao trano ho azy sy nanao trano tomboka ho an’ny biby fiompiny koa. Izany no nanaovana ny anaran’io tany io hoe Sokôta.
Dia niverina avy tany amin’ny ady i Jedeôna zanak’i Jôasy, nihazo ny fiakarana Haresy.
Tamin’izay dia nankao amin’ny mponina ao Sokôta i Jedeôna, ka nanao hoe: «Indreo eo i Zebea sy i Salmanà izay nanesoanareo ahy hoe: Efa voahazon’ny tananao sahady ve ny tanan’i Zebea sy i Salmanà, no hanome mofo izay miaramilanao sasatra izahay?»