izay tsy mba mizaha tavan’olona amin’ny lehibe, ary tsy mijery ny manan-karena noho ny mahantra, satria samy asa tanany avokoa izy rehetra.
Mpitsara 8:12 - Baiboly Katolika Ka vaky nandositra i Zebea sy i Salmanà, nefa nenjehiny ka azony izy roa lahy mpanjakan’i Madiàna, i Zebea sy i Salmanà, ary nampifanaritahiny avokoa ny toby manontolo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nandositra i Zebaha sy i Zalmona ary nanenjika azy i Gideona ka nisambotra ny mpanjaka midianita roa lahy, dia i Zebaha sy i Zalmona, ary nopotehiny ny tafika manontolo. DIEM PROTESTANTA Nitsoaka nandositra i Zebaha sy i Tsalmonà, mpanjaka midianita roa lahy, nefa nenjehin’i Gidehôna ka azony sambo-belona; dia izany no nampihorohoroany ny tafika midianita manontolo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nitsoaka nandositra i Zebaha sy i Tsalmonà, mpanjaka midianita roa lahy, nefa nenjehin’i Gidehôna ka azony sambo-belona; dia izany no nampihorohoroany ny tafika midianita manontolo. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nandositra Zebaha sy Zalmona, ary nanenjika azy ny Isiraely ka nisambotra ny mpanjaka roa tamin’ny Midiana, dia Zebaha sy Zalmona, fa efa nampihorohoroiny avokoa ny toby rehetra. Malagasy Bible Dia nandositra Zebaha sy Zalmona, ary nanenjika azy ny Isiraely ka nisambotra ny mpanjaka roa tamin'ny Midiana, dia Zebaha sy Zalmona, fa efa nampihorohoroiny avokoa ny toby rehetra. La Bible en Malgache Dia nandositra i Zebaha sy i Zalmona ary nanenjika azy i Gideona ka nisambotra ny mpanjaka midianita roa lahy, dia i Zebaha sy i Zalmona, ary nopotehiny ny tafika manontolo. |
izay tsy mba mizaha tavan’olona amin’ny lehibe, ary tsy mijery ny manan-karena noho ny mahantra, satria samy asa tanany avokoa izy rehetra.
Satria ny jioga nanavesatra azy, ny tsora-kazo nikapohana ny lamosiny, ny tehin’ny mpitoroka azy, dia samy notapahinao, toy ny tamin’ny andron’i Madiàna.
Ka ny faingam-pandeha, tsy ho afa-mandositra; ary ny matanjaka, tsy hahavonjy ny ainy;
Hitako latsaka am-pahoriana, ny lain’i Kosàna, ary mihorohoro ny lay amin’ny tanin’i Moaba.
Niakatra i Jedeôna nihazo ny lalan’ny mpitoetra an-day ao atsinanan’i Nobe sy i Jegbaà, ka namely ny toby izay natoky fa tsy haninona tsy haninona.
Dia niverina avy tany amin’ny ady i Jedeôna zanak’i Jôasy, nihazo ny fiakarana Haresy.