Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 7:17 - Baiboly Katolika

dia hoy izy tamin’izy ireo: «Izaho no hojerenareo, ary izay hataoko no hataonareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hoy izy taminy: Mijere ahy ianareo ka manaova araka izay ataoko; koa rehefa mankany amin’ny sisin’ny toby aho dia izay ataoko no hataonareo koa.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia nanome baiko ireo izy hoe: –Mijere ahy ianareo, ka izay ataoko no ataovy raha vao tonga eo an-tsisin’ny toby aho.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nanome baiko ireo izy hoe: –Mijere ahy ianareo, ka izay ataoko no ataovy raha vao tonga eo an-tsisin’ny toby aho.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia hoy izy taminy: Mijere ahy hianareo, ka manaova araka izay ataoko; ary, indro, raha mankany amin’ny sisin’ny toby aho, dia izay ataoko ihany no mba ataovinareo koa.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia hoy izy taminy: Mijere ahy ianareo, ka manaova araka izay ataoko; ary, indro, raha mankany amin'ny sisin'ny toby aho, dia izay ataoko ihany no mba ataovinareo koa.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hoy izy taminy: Mijere ahy ianareo ka manaova araka izay ataoko; koa rehefa mankany amin’ny sisin’ny toby aho dia izay ataoko no hataonareo koa.

Jereo ny toko



Mpitsara 7:17
7 Rohy Ifampitohizana  

Ary tamin’izay i Jesoa dia nilaza tamin’ny mpianany hoe: «Raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, sy hitondra ny hazofijaliany, ka hanaraka Ahy.»


Makà tahaka ahy, toy ny akako tahaka an’i Kristy.


Tsarovy ny mpitondra anareo, izay nitory ny tenin’Andriamanitra taminareo; diniho ny niafaran’ny fiainany, ka alao tahaka ny finoany;


tsy amim-pizakazakana ny Eglizy, fa amim-pisehoana ho fakan-tahaky ny ondry;


Nozarainy telo izy telon-jato lahy, ka samy nomeny trômpetra sy siny foana avokoa; ary fanilo tao anaty siny,


Rehefa mitsoka trômpetra aho sy ireo miaraka amiko, dia mitsofa trômpetra manodidina ny toby koa ianareo, ka milazà hoe: Ho an’i Iaveh sy ho any Jedeôna.»


dia niakatra tany an-tendrombohitra i Abimeleka mbamin’ny vahoaka momba azy, nataon’i Abimeleka an-tanana ny famaky, dia nikapa sampan-kazo anankiray izy, ka noingainy nataony an-tsoroka, ary hoy izy tamin’ny vahoaka momba azy: «Toy izay hitanareo nataoko, no mba ataovinareo faingana koa».