Nony nitataovovonana ny andro, nesoesoin’i Elia teo izy ireo, nataony hoe: «Miantsoa mafy, fa andriamanitra moa izy, ka sao dia revo mandinika, na varian-javatra, na lasa nivahiny: matory angamba izy, ka dia hifoha.»
Mpitsara 6:31 - Baiboly Katolika Ary hoy i Jôasy tamin’izay rehetra nitsangana teo hamely azy: «Ianareo indray ve no tokony hitsangana hiaro an’i Baala? Ianareo indray ve tokony hamonjy azy? Na zovy na zovy hitsangana hiaro an’i Baala, dia hatao maty alohan’ny ampitso maraina. Raha Andriamanitra i Baala dia aoka izy ihany no hitsangana hiaro ny tenany, fa noravan’olona ny ôteliny.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy i Joasy tamin’izay rehetra nitsangana teo anatrehany: Ianareo va no handahatra hiaro ny Baala? Ianareo va no hamonjy azy? Izay handahatra hiaro ny Baala dia hovonoina alohan’ny andro maraina! Raha andriamanitra ny Baala, aoka izy handahatra hiaro ny tenany, satria nisy nandrava ny alitarany! DIEM PROTESTANTA Fa namaly ireo rehetra nitsangan-kanohitra azy i Jôasy ka nanao hoe: –Moa ianareo va no hiaro an’i Bahala sy tonga hamonjy azy? Na iza na iza hiaro an’i Bahala dia hovonoina ho faty, alohan’ny rahampitso maraina. Fa raha andriamanitra i Bahala, aoka izy hiaro tena satria ny alitarany no noravana! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa namaly ireo rehetra nitsangan-kanohitra azy i Jôasy ka nanao hoe: –Moa ianareo va no hiaro an’i Bahala sy tonga hamonjy azy? Na iza na iza hiaro an’i Bahala dia hovonoina ho faty, alohan’ny rahampitso maraina. Fa raha andriamanitra i Bahala, aoka izy hiaro tena satria ny alitarany no noravana! Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Joasy tamin’izay rehetra nitsangana teo anatrehany: Moa hianareo handahatra ho an’i Bala va? Hianareo va no hamonjy azy? Izay handahatra ho an’i Bala dia hatao maty, raha mbola maraina ny andro: raha andriamanitra Bala, aoka izy handahatra ho an’ny tenany, fa nisy nandrava ny alitarany. Malagasy Bible Ary hoy Joasy tamin'izay rehetra nitsangana teo anatrehany: Moa ianareo handahatra ho an'i Bala va? Hianareo va no hamonjy azy? Izay handahatra ho an'i Bala dia hatao maty, raha mbola maraina ny andro: raha andriamanitra Bala, aoka izy handahatra ho an'ny tenany, fa nisy nandrava ny alitarany. La Bible en Malgache Hoy i Joasy tamin’izay rehetra nitsangana teo anatrehany: Ianareo va no handahatra hiaro ny Baala? Ianareo va no hamonjy azy? Izay handahatra hiaro ny Baala dia hovonoina alohan’ny andro maraina! Raha andriamanitra ny Baala, aoka izy handahatra hiaro ny tenany, satria nisy nandrava ny alitarany! |
Nony nitataovovonana ny andro, nesoesoin’i Elia teo izy ireo, nataony hoe: «Miantsoa mafy, fa andriamanitra moa izy, ka sao dia revo mandinika, na varian-javatra, na lasa nivahiny: matory angamba izy, ka dia hifoha.»
Ary nony efa nitsidika ny andro, dia naminany izy mandra-pahatongan’ny fotoana fanolorana ny fanatitra. Nefa tsy nisy nanoina na namaly na nihontsina kely akory.
Ary hoy i Elia tamin’izy ireo: «Sambory ny mpaminanin’i Baala, ka aoka tsy hisy ho afa-mandositra na dia iray aza.» Dia nosamboriny ireny, ka nampidinin’i Elia teo amin’ny ranon’i Sisaona, dia novonoiny teo.
«Aza momba ny maro hanao ratsy; raha misy ady, aza miandany amin’ny maro ka mitsangan-ko vavolombelona nampitanila ny fitsarana.
Lazao izay zavatra ho avy any aoriana any, dia ho fantatray fa andriamanitra ianareo. Manaova soa, na manaova ratsy, mba nahitanay izany sy hiarahantsika migaga.
Mirodana i Bela, miletsy i Nebô; ataingina eo ambony biby, eo ambony biby mpitondra entana ny sariny. Ireo sampy izay nentinao dia ataingina toy ny entana mavesatra, eo ambony biby sasatra.
Lanjainy io, tohanany, dia lasa izy ireo mametraka azy eo amin’ny fitoerany; ka mitsatoka eo, tsy mihetsika amin’ny fitoerany izy. Na dia misy miantso azy aza tsy mamaly izy, na mahavonjy olona ho afaka amin’ny fahoriany.
Izao no holazainareo amin’ireny: Ireo andriamanitra tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany, dia hofongorana eto an-tany sy atỳ ambanin’ny lanitra.
Sahala amin’ny andry voavaofy tamin’ny milina fandrafetana ireny andriamanitra ireny ka entin’olona, fa tsy afa-mandeha. Aza matahotra an’ireny, fa tsy mahay manisy ratsy izy; ary indrindra koa tsy mahay manisy soa.»
Nandriatra ny fitafiany i Jôsoe, zanak’i Nona, sy i Kaleba, zanak’i Jefôna, anisan’ireo nisafo ny tany,
Koa ny amin’ny mihinan-kena naterina tamin’ny sampy, dia fantatsika fa tsinontsinona ny sampy amin’izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy iray monja.
Aza mba mikambakambana amin’izay asan’ny maizina tsy mahavokatsoa, fa vao mainka ambarao aza ny haratsian’ireny,
Tamin’izay ny olona tao an-tanàna nilaza tamin’i Jôasy hoe: «Avoahy ny zanakao ka aoka hovonoina izy fa nandrava ny ôtelin’i Baala, ary nikapa ny Aserah teo anilany.»
Tamin’izany andro izany no nanomezan’ny olona anarana an’i Jedeôna hoe Jerobaala, fa nataony hoe: «Aoka i Baala hiaro tena aminy, satria noravany ny ôteliny.»
Dia nirahin’i Iaveh i Jerobaala, i Badana, i Jefte, ary i Samoela, ka nanafaka anareo tamin’ny fahavalonareo rehetra manodidina anareo izy, dia nandry feizay, teo amin’ny fonenanareo ianareo.