Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 6:31 - DIEM PROTESTANTA

31 Fa namaly ireo rehetra nitsangan-kanohitra azy i Jôasy ka nanao hoe: –Moa ianareo va no hiaro an’i Bahala sy tonga hamonjy azy? Na iza na iza hiaro an’i Bahala dia hovonoina ho faty, alohan’ny rahampitso maraina. Fa raha andriamanitra i Bahala, aoka izy hiaro tena satria ny alitarany no noravana!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

31 Hoy i Joasy tamin’izay rehetra nitsangana teo anatrehany: Ianareo va no handahatra hiaro ny Baala? Ianareo va no hamonjy azy? Izay handahatra hiaro ny Baala dia hovonoina alohan’ny andro maraina! Raha andriamanitra ny Baala, aoka izy handahatra hiaro ny tenany, satria nisy nandrava ny alitarany!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

31 Fa namaly ireo rehetra nitsangan-kanohitra azy i Jôasy ka nanao hoe: –Moa ianareo va no hiaro an’i Bahala sy tonga hamonjy azy? Na iza na iza hiaro an’i Bahala dia hovonoina ho faty, alohan’ny rahampitso maraina. Fa raha andriamanitra i Bahala, aoka izy hiaro tena satria ny alitarany no noravana!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

31 Ary hoy i Jôasy tamin’izay rehetra nitsangana teo hamely azy: «Ianareo indray ve no tokony hitsangana hiaro an’i Baala? Ianareo indray ve tokony hamonjy azy? Na zovy na zovy hitsangana hiaro an’i Baala, dia hatao maty alohan’ny ampitso maraina. Raha Andriamanitra i Baala dia aoka izy ihany no hitsangana hiaro ny tenany, fa noravan’olona ny ôteliny.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

31 Ary hoy Joasy tamin’izay rehetra nitsangana teo anatrehany: Moa hianareo handahatra ho an’i Bala va? Hianareo va no hamonjy azy? Izay handahatra ho an’i Bala dia hatao maty, raha mbola maraina ny andro: raha andriamanitra Bala, aoka izy handahatra ho an’ny tenany, fa nisy nandrava ny alitarany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

31 Ary hoy Joasy tamin'izay rehetra nitsangana teo anatrehany: Moa ianareo handahatra ho an'i Bala va? Hianareo va no hamonjy azy? Izay handahatra ho an'i Bala dia hatao maty, raha mbola maraina ny andro: raha andriamanitra Bala, aoka izy handahatra ho an'ny tenany, fa nisy nandrava ny alitarany.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 6:31
18 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny mitataovovonana dia naneso azy ireo i Elià hoe: –Antsoy mafy ihany fa andriamanitra izy, ka sao dia maro herehina na koa mbola varian-dresaka, na nisy dia nalehany, na koa matory angamba izy ka mila hofohazina.


Rehefa dila ny mitataovovonana, dia mbola nirediredy niantso an’i Bahala ihany izy mandra-pahatonga ny fotoana fanaovany sorona takariva, nefa tsy nisy nanoina na namaly teny amam-pihetsika azy akory.


Ary hoy i Elià tamin’izy ireo: –Sambory ny mpaminanin’i Bahala ary aza avela hisy afa-mandositra na dia iray aza. Dia nosamborina avokoa ireny ka nentin’i Elià teo amin’ny lohasahan-driakan’i Kisôna ary novonoiny ho faty teo.


Aza manaiky hotarihin’ny maro hanao ratsy; aza mijoro ho vavolombelona noho ny hena-maso ny maro mitady hamadika ny rariny eo amin’ny fitsarana.


Eny, ambarao anay ny zavatra ho avy dia hoekenay fa andriamanitra tokoa ianareo. Manaova soa na manaova ratsy mba hiarahanay mahita sy mijery.


Nihareraka i Bela, niletsy i Nebao. Napetraka teo ambony biby mpitondra entana ny sarivongan’ireo andriamanitr’i Babilôna ireo; izay filanja tamin’ny laharam-pihobiana dia toy ny enta-mifatratra no fitondra azy, ka mavesatra amin’ireto biby efa reraka.


Izy ireo ihany no mibata ny andriamaniny sy mitondra azy eny an-tsoroka sady mametraka azy eo amin’ny toerany, dia mijanona eo iny fa tsy mahahetsika. Raha iantsoana vonjy izy, dia tsy mamaly sady tsy mahavonjy amin’ny fahoriana.


Izao àry no holazainareo aminy: ireo andriamanitra tsy nanao ny lanitra sy ny tany ireo dia holevonina tsy ho etỳ an-tany intsony, sady tsy hanan-toerana atỳ ambanin’ny lanitra.


Toy ny kalo eny an-tanin-kôkômbra ireo andriamanitra sampy ireo ka tsy miteny akory; entina izy fa tsy mba afa-mandeha. Aza matahotra azy ianareo, fa tsy afaka manisy ratsy izy ary tsy afaka manisy soa ihany koa.»


I Josa zanakalahin’i Nona sy i Kaleba zanakalahin’i Jefonè izay samy anisan’ny nisafo tany kosa dia nandriatra ny fitafiany


Koa azo hanina ve ny hena natao sorona tamin’ny sampy? Fantatsika fa tsinontsinona ny sampy eo amin’izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy ilay Andriamanitra tokana.


Aza miombona amin’ny asa tsy mahavoka-tsoa ataon’ireo olona ao anatin’ny haizina, fa aleo aseho ny tena toetr’ireny asa ireny;


Ary hoy ny olona tao an-tanàna tamin’i Jôasy hoe: –Avoahy atỳ ny zanakao lahy hovonoina ho faty, satria nandrava ny alitaran’i Bahala izy sady nikapa ny tsatokazon-tsampy teo anilany.


Nanomboka hatreo i Gidehôna dia nantsoina hoe Jerobahala, izany hoe «Aoka hiaro tena i Bahala»; ny antony moa dia ny amin’ny tenin’i Jôasy hoe: «Aoka hiaro tena i Bahala satria ny alitarany no noravana!»


Ary ny TOMPO naniraka an’i Gidehôna sy i Bedàna sy i Jeftà, ary farany ny tenako i Samoela, mba hamonjy anareo amin’ny fahavalo nanodidina anareo; koa dia nonina tsy nanana ahiahy teto amin’ny tany ianareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra